Mbola mila tosika ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ary entanina hirona amin’izany ny tanora sy ny mpianatra. Fotoana iresahana ireo tantsoroka sy tohana ary torolalana tokony hodiavina ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew) Tanterahana ny 18 ka hatramin’ny 23 novambra ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew). Lohahevitra amin’ity […]
Auteur/autrice : Adnews
Andranobolahy Toamasina : mpamaky trano voasambotra
Voasambotry ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambodibonara-Andranobolahy, kaominina Toamasina, ny lehilahy ikoizana amin’ny vaky trano, ny alin’ny alarobia 13 novambra teo. Nanararaotra ny andro alina, nanao ny asa ratsy toy ny fanaony io tovolahy io. Tsikaritry ny manodidina anefa ny fihetsika hafahafa nataon’ilay olon-dratsy. Nanamafy ny ahiahin’ny fokonolona rahateo ny […]
Iraky ny Bad : hanamboarana fotodrafitrasa ireo kaominina
Hisitraka fotodrafitrasa ny eny ifotony ary hotohanana ireo tantsaha. Tonga nanatanteraka fitsidihana tao amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), tetsy Anosy, ny solontenan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), omaly. Nitarika ny delegasinina, i Aminata Sow sy i Pumla Majikija. Nifantohan’ny dinika tamin’ny solontenan’ny minisitra, ny sekretera […]
Finoana Islamo : mankalaza ny faha-50 taona nijoroany ny FSM
Mankalaza ny faha-50 taona nijoroany teto Madagasikara ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy (FSM) amin’ity taona ity. Homarihina amin’ny hetsika samihafa ny 24 novambra ho avy izao, etsy amin’ny CCI Ivato, izany, raha ny fanambarana nataon’ izy ireo tetsy 67 ha, ny alakamisy teo. Ahitana ny hetsika fifaninanana famakiana korany masina sy […]
Alemaina sy MFFT : hiara-hiasa hanatsara ny fitantanana eny ifotony
Any alemana ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Anisan’ny anton-diany ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny fanatsarana ny fitantanana. Tafiditra amin’ny fanavaozana sy ny hahamoderina kokoa ny fitantanana eny ifotony ary ho fampiroboroboana ny fanajariana ny tany izao fitsidihan’ny minisitra any Hamburg Alemana izao. Hampitomboina […]




