Nanamarika ny andron’i Masindahy Martin, olomasina mpiaro ny fitantanan-draharahan’ny Tafika, ny eo anivon’ny DCCA Foibe fitantanan-draharahan’ny Tafika, ny 11 novambra 2024, toy ireo tafika maneran-tany mankalaza izany. Roa andro ny fankalazana ka nisy ny fanolorana mariboninahi-pirenena ho an’ireo miaramila nahavitabe teo anivon’ity sampandraharaha ity, notontosaina teny anivon’ny foiben’ny DCCA Soanierana. […]
Auteur/autrice : Adnews
Fiaraha-miasa : haka traikefa amin’ny Tafika Egypsianina ny Malagasy
Nitsidika ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, teny amin’ny toeram-piasany, Ampahibe, omaly, ny Jly Mohamed Abdelsadek Abdelgil Farg, tomponandraikitra ny fiarovana egyptianina. Nanamafy ny fahavononan’i Egypta hiara-miasa ara-tafika amin’ny firenena malagasy izao fihaonana izao. Fiaraha-miasa hiompana amin’ny fampiofanana miaramila malagasy amin’ny sehatrasa maro mba hampitomboana […]
INDRAY MIJERY
Hiditra amin’ny vanim-potoan’ny orana isika atsy ho atsy ka efa samy manao ny ezaka amin’ny fanadiovana ireo lakandrano ny isan’ambaratongany .Nanadio ny lakandrano mirefy 260 m, teny Faliarivo Ambanidia sy Ampasanimalo, ny CUA ny SMA niaraka tamin’ireo orinasa manodidina eny an-toerana. Nofanina ireo mpitatitra sy tompona fiara ary ireo mpandrindra […]
Fitantanana ny fako : natsangana ny tetikasa “Gesda”
Ho fitantanana ara-drariny ny fako sy ho fahadiovan’ny tanànan’Antananarivo, natsangana ny tetikasa “Gesda” izay fanavahana ny karazana fako miainga any amin’ny isan-tokantrano. Mila apetraka isan-tokantrano ny fahaizana manavaka ireo karazana fako, ny plastika, ny fako mora lo, ny tavoahangy… hanamora ny fitantanana azy. Afaka ahodina avokoa ny karazana fako rehefa […]
Fampianarana teknika : miara-miasa ny LTP Beravina sy ny Semipi
Nihaona tamin’ireo mpampiofana sy mpandraharaha eo anivon’ny LTP Beravina Fianarantsoa, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Nohamafin’ny minisitra fa zava-dehibe ny fidinana toy izao ahafantarana ny mety ho olana sedrain’ny Lycée teknika. Hitondra vahaolana mifanaraka amin’izany ny minisitera, araka izay tratra sy azo atao, […]




