Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianarivelo Hajo. Notsia-hiviny fa maro ireo nilaza azy ho mafy teto. Tsy refesi-mandidy ary tompon’ny tanàna fa ratsy fiafara avokoa, araka ny nambarany. “Misy tsy mahay mandray lesona mihitsy ny eto amitsika…”, hoy izy. Nanteriny fa mila fandinihana sy fanetren-tena […]
Auteur/autrice : Adnews
Fikirakirana sora-piankohonana: Hofanina ireo tomponandraikitra eto an-dRenivohitra
Tanterahina eny amin’ny Motel Anosy, nanomboka omaly hatramin’ny 15 novambra izao, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitry ny sora-piankohonana eny anivon’ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra. Fiofanana karakarain’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajarina ny tany, amin’ny alalan’ny « Institut national de la décentralisation et du développement local » (INDDL), tohanan’ny masoivohon’i […]
HCDDED : “Anisan’ny andrin’ny demokrasia ny fifidianana”
Notanterahina tany Fianarantsoa, tamin’ity herinandro ity, ny fihaonambe voalohany, ho an’ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDDED). Nivoitra tamin’izany ny hiatrehina ny fifidianana ben’ny Tanàna. Niompana tamin’ny famelabelarana momba ny HCDDED sy ny fifidianana ny fihaonana. Notsindrin’ ny filohan’ity rafi-panjakana ity, Ranadialison Angelo, […]
Fivondronamben’ny eveka :Voafidy ho filoha ny Mgr Ralamboniaina F.
Voafidy ho filohan’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara na Conférence épiscopale de Madagascar (CEM) indray ny evekan’ny diosezin’i Morondava, ny Mgr Ralamboniaina Fabien, izay efa nitana izay andraikitra izay tamin’ny fotoam-piasana teo aloha. Tafiditra ao anatin’ny fivoriambe fanao isan-taonan’ ny CEM amin’izao fotoana izao ny fanavaozana ny birao maharitra, araka ny […]
Kandidà Harilala Ramanantsoa :”Tsy misy azo atao raha tsy miaraka amin’ny fitondrana”
“Resy lahatra aho fa tsy misy azo atao loatra, raha tsy miaraka ary mitovy fijery amin’ny fitondram-panjakana.” Io ny tenin’ny kandidà lah. 7, atolotry ny vondrona Irmar ho ben’ ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, tamin’ny vahoakan’i Soavimasoandro, boriborintany V, omaly. Mandeha haingana kokoa sy mahavita zavatra bebe kokoa ary indrindra tsy […]




