Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Mivoatra manaraka ny toetrandro ny asam-panjakana ka ny tontolon’ny nomerika izao no tolotra ampiasaina hanomezana fahafahampo ny mpanjifa. Nahazo fiofanana momba ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana ny mpiasam-panjakana any amin’ny faritra Sava. Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fiofanana, nampahafantarana koa ilay rindram-baiko Augure Compte Agent, izay fitaovana hanamorana ny fitadiavana izay […]

“Fijery hafa” andiany voalohany : hisehatra amin’ny asa ireo nisitraka fiofanana

Notolorana mari-piofanana ireo olona 164, nanaraka fiofanana nandritra ny hefarana niaraka amin’ny ivontoeram-panofanana arakasa eny Tsimbazaza sy ny LTA ary ny LTP Ampefiloha. Tafiditra amin’ ny fandaharanasa «Fijery hafa» miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa ny fampiofanana, izay manatona vahoaka, andiany voalohany. Sehatra efatra : taovolo, zaitra, fanamboarana mofomamy […]

Faha-17 taonan’ny Clam : mivondrona hitondra ainga vao ireo laboratoara

Nanao famelabelaran-kevitra tetsy amin’ny Akademia Malagasy, omaly, ireo karazana laboratoara amina sehatra samihafa. Hanambatra hery hisian’ny ainga vao ho amin’ny kalitao tsara hatrany. Mampivondrona ireo laboratoara amin’ny sehatra marolafy ny Clam. Teo aloha, ny laboratoara momba ny sakafo fihinana sy ny fambolena ihany no tena be mpahafantatra. Ankehitriny kosa, efa […]

Jly Ravalomanana Richard: «Aoka tsy hifampiaroaro fahatany»

Naneho ny heviny manoloana ireo mpitsara efatra ahina ho tsy nanara-dalana ka noesorina ny filohan’ny An­tenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nampahery ny minisitry ny Fitsarana ny tenany. “Tsy azo ekena ny fifampiarovana befahatany na koa fampifangaroana foko sy fiaviana sy fivavahana na koa asa… Tsy hitondra antsika any amin’ny fahamarinana […]