Auteur/autrice : Adnews

TOBY FITSABOANA Mère Marie Schinina : afaka mitrosa ny marary raha sahirana

«Tanjon’ny mpitantana ny Toby fitsaboana Mère Marie Schinina, ao amin’ny kaominina Imerina Imady, distrikan’ Ambositra, ny fitsimbinana ireo madinika tsy afaka mitsabo tena eny amin’ny hopitaly lehibe nefa tojo tsy fahasalamana», hoy ny tomponandraikitra voalohan’ny toeram-pi­tsaboana, masera Razafin­dravola Clothilde. Ampitro­saina aloha ny marary amin’ny fitsaboana ny aretina sy ny fividianana […]

Laboratoara fitiliana sakafo : vitsy ireo nahazo fankatoavana iraisam-pirenena

Manodidina ny 40 ireo laboratoara fitiliana momba ny sakafo eto Madagasikara. Iray amin’ireo ihany ny nahazo fankatoavana iraisam-pirenena afaka manao izany, raha ny fanazavana voaray. Vokany, tsy maintsy alefa any ivelany ireo sakafo tsy voatily noho ny fahavitsian’ny laboratoira miasa eto an-toerana. “Mampitombo ny masonkarena, indrindra eo amin’ny tontolon’ny varotra, […]

Roa volana voalohany amin’ny taom-pianarana : sahirana ny mpampianatra, tsy mifantoka ny mpianatra

Miteraka olana ho an’ny mpampianatra sasany eny amin’ny EPP ny fiatoana isaky ny roa volana napetraky ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Mihena ny ora hianarana nefa ny ankizy tsy mifantoka loatra. Miditra amin’ny roa volana faharoa ny fampianarana nanomboka omaly ary haharitra hatramin’ny 20 desambra ho avy izao. Ho an’ny sekoly miankina […]

Orange Madagascar : manome tolotra Wifiber sahaza ny rehetra

Manome tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa indray ny Orange Madagascar. Nam­pa­hafantarina omaly, tetsy Soarano, ny tolotra Wifiber mizara ho sokajy roa. Sahaza ny daholobe sy olon-tsora ary hita manerana ny Nosy ireto tolotra vaovao ireto. Misanda 49 000 Ar isam-bolana, ahazoana tanjaka 100Go amin’ny internet ny tolotra Wifiber Go arahina fifanarahana […]

Kaompania Air France: miato vonjimaika ny sidina manodidina ny ranomasina Mena

« Ho fanarahana ny fitsipika sy ho fitandremana dia nanapa-kevitra ny hampiato vonjimaika ny sidina manerana ny faritry ny ranomasina Mena ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Air France », araka ny fanambarana nataony. Noho izany, niova ny lalan’ny sidina sasany. Nisy tamin’ireo fiaramanidina no afaka nihodina sy niverina tany amin’ny seranam-piaramanidina niaingany, hoy […]