Auteur/autrice : Adnews

Fampiasana angovo azo havaozina : vehivavy 15 nisitraka fampiofanana

Taorian’ny fampiofanana momba ny fandraharahana, nanaraka fiofanana momba ny fikirakirana ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro (photovoltaïque) ireo vehivavy 15 isa avy eto amin’ny faritra Anala­manga sy Atsimo Andrefana. Ankehitriny, afaka manangana sy mikojakoja ireo fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy mampiroborobo ny fidiram-bolan’ny orinasa tantaniny izy 15 mirahavavy. […]

Fampiroboroboana ny fampiasam-bola: hiara-hiasa ny EDBM sy ny CEO Summit

Vita sonia ny zoma teo, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim) sy ny Agence BeCom ary ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), ho an’ny fikarakarana ny hetsika voalohan’ny CEO Summit eto Madagasikara. Tanterahina eto Antana­na­rivo, ny 5 sy 6 desambra, ny fihaonana antam­pony CEO Summit. Manodidina […]

INDRAY MIJERY

Mampanahy ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida ao Antsirabe. Amin’ny olona 92 nanao fitiliana ny volana septambra lasa teo, efatra no mitondra ny tsimokaretina. Ireo olona eo anelanelan’ny 20 taona-35 taona no tena voakasika. “Teo aloha, olona tokana ihany tao anatin’ny efa-bolana no voatily fa mitondra ny tsimokaretina”, hoy […]

Fivoriana maneran-tany momba ny fanabeazana : Paikady hampitomboana ny famatsiam-bola

Niatrika ny fivoriana maneran-tany mahakasika ny fanabeazana, taona 2024, izay natao tany Fortaleza Brésil, nanomboka ny alakamisy 30 oktobra hatramin’ny zoma 1 novambra lasa teo, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena malagasy, ny Dr Sahondrari­malala Marie Michelle. Nano­katra ny fivoriana ny filoham-pirenena breziliana. Nandray anjara koa ireo minisitry ny Fanabeazana rehetra maneran-tany, […]