Notanana am-ponja ireo telo lahy anaty tambajotra mpangalatra moto tao Antsirabe, ny zoma 25 oktobra teo. Naharay fitarainana avy amin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana momba ny fisiana tranga halatra moto miseholany ao an-toerana. Nanao fikarohana ny mpitandro filaminana eo anivon’ny UIR. Fantatra tamin’ny alalan’ ny fanadihadiana ny toerana misy ireo […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Vonona hamokatra angovo avy amin’ny fanodinana fako ny orinasa Cambridge Industries. Manodidina ny 150 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola hataony, hamokarana angovo 50 MW, ka avy amin’ny fako eny Andralanitra ny 20 MW, raha avy amin’ny masoandro ny 30 MW. Mahatratra 7 500 ny asa hiforona amin’izany. Nisy ny fihaonan’ny mpitantana […]
Tranoben’ny Tantsaha : fanamafisana ny fiofanana ho an’ny mpikambana
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison François, ny delegasiona notarihin’ny filohan’ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra, Razafimbololona Angeline, ny 23 oktobra teo. Nangataka fiaraha-miasa sy tohana avy amin’ny minisitera ity fikambanana ity hanamafisana ny fampiofanana ny mpikambana, entina hampitomboana ny vokatra. Nambaran’ ny minisitra fa hisy ny fihaonambe […]
Hazandrano : tilapia 25 000 narotsaka ao Andranotapahana
Anisan’ny foto-piveloman’ny mponina ny jono ao amin’ny farihin’Andranotapahana Ambohidratrimo. Mamatsy hazandrano an’i Talatamaty sy Ambohidratrimo ary indrindra ny aty an-dRenivohitra. Nandrotsahana zana-trondro tilapia miisa 25 000 tao amin’ny farihy, ny 23 oktobra teo, avy amin’ny fikambanana Fanilon’i Marovatana sy ny fikambanana Ezaka Firaisankina. Natao ity hetsika ity mba hiteraka tombontsoa […]
Tontolo iainana : misy tetikasa hiarovana ny alan’Ankarafantsika
Anisan’ny valanjavaboahary marefo ny ala maina an’Ankarafantsika. Misy ny tetikasa hiarovana azy, iarahan’ny mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Nampahafantarina ny 23 oktobra teo ny tetikasa «Ala maiky Ankarafantsika», entina hanamafisana ny fiarovana ny alan’Ankarafantsika, tantanin’ny Madagascar National Parks (MNP). Famatsiam-bola manokana avy amin’ny Tahirim-bola ho an’ny faritra arovana sy ny […]




