Tontosa ny 25 oktobra 2024, teny amin’ny foibem-pibaikoan’ny polisim-pirenena Anosy, ny dinika momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto Madagasikara. Nandray anjara tamin’izany ny polisim-pirenena malagasy sy ny zandarimariam-pirenena. Dinika niarahana tamin’ny ambasady Amerikanina, tamin’ny alalan’ny International Narcotics and Law enforcement, notarihan’i Brian Morales. Nitarika ny delegasiona ho an’ny minisiteran’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fampianarana teny anglisy : feno 50 taona ny Cnela Antsahabe
Ivontoerana nasionaly mampianatra ny teny anglisy ny Cnela. Manamarika ny faha-50 taona nampianarany izy ireo amin’ity taona ity. Ivontoeram-pampianarana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, ny Cnela, ary manana rantsana any amin’ny faritra. Nanatanteraka loabary an-dasy niompana tamin’ny fandinihana ireo fomba vaovao enti-mampianatra ny teny anglisy ao […]
INDRAY MIJERY
Manampy betsaka ho fiarovana amin’ny aretina mitarazoka tsy mifindra ny fampiasam-batana. Anisan’ izany ny fiakaran’ny tosidra, ny diabeta… Nanatanteraka “randonnée” 8,3km ny mpiara-miasa eo anivon’ny fitaleavana misahana ny ady amin’ny aretina tsy mifindra (DLMNT), anio, ho fanombohan’ ny fanentanana ny tsirairay hampiasa vatana. Mandray anjara amin’ny “Global Leadership Forum 2024” […]
Fokontany Ankazomborona : voinkava-mahatratra ho an’ireo traboina
Tonga nanao voinkava-mahatratra ny mponina any Ankazomborona, kaominina ambanivohitra Andranomavo, distrikan’i Soalala, ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Niharam-boina ny fokontany noho ny haintrano nandrava ny tanàna. Betsaka ny fatiantoka. Trano 400 no kilan’ny afo. Lasa lavenona ny entana sy ny vary rehetra. Tsy manan-kialofana ireo olona 750 amin’izao fotoana. Mitentina […]
Fampianarana : vola 790 lavitrisa Ar hitazomana ireo vehivavy an-tsekoly
Ampirisihina hianatra ny ankizivavy ary hatao izay mahatamana azy sy ho tia fianarana. Hanompanana vola izy ireo mba tsy ialany an-daharana amin’ny fianarana fa hahatozo hatramin’ny farany. Fantatra nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena, ny faran’ny herinandro teo, fa vola mitentina 790 lavitrisa Ar no entina hitazonana an-tsekoly ireo zazavavy. […]




