Anatin’ny fanatsarana ny lafiny teknika ny taranja Escrime, amin’izao fotoana izao. Manam-pahaizana iraisam-pirenena, i Baytir Sidy Diop, izay tonga eto Madagasikara, mizara traikefa mandritra ny valo andro. Araka izany, atleta sy mpanazatra ary mpitsara ny taranja Escrime, 12 isaky ny ligy no maka traikefa amin’i Baytir Sidy Diop. Raha ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Volley-“Coupe de Mada U23” : nanomboka omaly, tao Fianarantsoa
Nisokatra omaly, any Fianarantsoa, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley, sokajy latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy. Fivoriana ara-teknika notarihin’ny tale teknika nasionaly niaraka tamin’ireo ekipa mandray anjara no notontosaina ny sabotsy 26 oktobra lasa teo. Nanomboka avy hatrany kosa ny lalao ho an’ny andro voalohany. Lalao 6 […]
DAKA AN-JORONY: manaova toy ny vitsika fa aza manao toy ny vitsika
Efa zary fahazaran’ny sofina ny maheno fimenomenomana amin’ny resaka mpanazatra, kianja, fomba fitantanana, mpitsara, raha ny eto Madagasikara. Toa efa tsy mampiraika ny maro intsony fa hampidirina amin’ny sofina havia, avoaka amin’ny sofina havanana. Na izany aza, misy lesona azo raisina hatrany amin’ny trangan-javatra toy ireny. Manaova toy ny vitsika, […]
Handball – “Mada sénior 2024”: voahosotra ho tompondaka ny THBC
Norombahin’ny THBC, vehivavy, ny anarana maha tompondakan’i Madagasikara 2024, taranja handball, sokajy Sénior. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI) izy ireo, amin’ity taona ity ihany. Tontosa omaly, tetsy amin’ ny Kianja mitafo Ankorondrano, ny famaranana ny fifaninanam-pirenena, taranja handball, sokajy Sénior, lehilahy. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2024, […]
Sombim-baovao
Hihemotra amin’ny fotoana tsy voafaritra ny fifaninanam-pirenena taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo tomponandraikitra, ny zoma ho avy izao no hivory ny klioba rehetra mandray anjara, ary hodinihina eo ihany koa ny firafitry ny fifanintsanana. Hofantatra anio, any Paris, ny anaran’ny mpilalao handrombaka ny […]




