Auteur/autrice : Adnews
Tontolon’ny fitsarana : tsy handefitra amin’ireo manao kolikoly ny minisitera
Anisan’ny nivoitra tamin’ny fananganan-tsaina, teny amin’ny fonjaben’ Antanimora, ny alatsinainy 14 oktobra teo, ny toromarika sy hafatrafatry ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Belalahy Hanitriniaina. Nambarany fa naharay fitarainana ny eo anivon’ny minisitera ka hodinihina ny fahamarinany. “Handraisana fepetra izy ireny ka tsy hasiana famindram-po amin’ireo tratra manao izany. Efa maromaro […]
Toamasina : sarona ireo mpanapoka solika
Miverina indray ny solika mitapoka. Miisa 24 mianadahy ireo ahina ho nanapoka solika anjatony litatra. Maro ireo nametraka fitarainana tato anatin’ny volana vitsy fa simba ny fiara vokatry ny haratsian’ny solika. Fantatra aorian’ny fanamboarana ny fiara fa nandrotsahana solika mitapoka ny fiara na moto iray nisedra olana. Nametraka fitarainana ireo […]
Fanasan-tanana : nanentana ny kamboty ny vondrona kameroney
Andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana ny 15 oktobra. Nitsidika sady nanentana ny ankizy tezaina ao amin’ny foibe fitaizana ny zaza kamboty Felana Maitso eto Antananarivo, ny alatsinainy teo, ny vondron’ny teratany kameroney eto Madagasikara, nanamarihana izany. Nohazavaina tamin’ny ankizy ny maha zava-dehibe ny fanasana tanana sy ny fomba fanaovana azy. […]
Sivana teny tsimbazaza : velon’ahiahy ny Holafitry ny mpanao gazety
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), manoloana ny tranga niseho teny Tsimbazaza, omaly. Ahin’izy ireo ho tsy voahaja ny zo fototra eo amin’ny fahahalahan’ny asa fanaovan-gazety. Nambaran’ny OJM fa ahina ny tsy fanajana ny zo fototra ho an’ny olom-pirenena amin’ny hahazoana vaovao. Nisehoana fanakanana ny ampahany […]




