Auteur/autrice : Adnews

Dinika tetsy Ankatso: vahaina ny olan’ ny fahasamihafana

Natomboka, omaly, tetsy amin’ny Oniversiten’ An­ta­nanarivo, ny dinidinika ho an’ny vehivavy manolo-tena eto Madagasikara. Dinika mikendry ny hamahana ny olan’ny tsy fitoviana eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fanabeazana ary ny fandraisana anjaran’ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina. Tetikasa niarahana tamin’ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina, ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina […]

Rajoelina Mialy: “Ilaina ny fanabeazana ara-pananahana feno any an-dakilasy”

Samy manana ny olana sedrainy ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina momba ny ady amin’ny tsimokaretina VIH/Sida. Iraisana ny fahatsapana fa tokony hatsaraina ny famatsiana fanafody sy ny fitiliana ary ny fijerena manokana ireo olona mitsindrona zava-mahadomelina. Haharitra hateloana ny fivoriana faha-20 iraisan’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina mo­mba ny […]

Rakotondravao Sarobidy : Kandidà natolotry ny Irmar

Nampahafantatra ny maha kandidà ho ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambato, distrikan’Ambo­hidra­trimo azy, Rakotondravao Sarobidy. Kandidà natolotry ny Irmar, nahazo ny laharana voalohany anatin’ny biletà tokana. Vinany ny hitondra fampandrosoana eny amin’ny tontolo ambanivohitra sy hijery manokana ny vahoaka eny ifotony. « Manondro ny hetsika sy politika rehetra ny fanatsarana […]

Saika hamidy : ankizy varira iray avotry ny zandary

Sarona tao anaty vela-pandriky ny zandary tao Anilobe Vohitrambo, distrikan’i Vangaindrano, ny alatsinainy teo, ireo mpaka an-keriny, tompon’antoka tamina fakana an-keriny ankizy varira iray. Lasan’ireo dahalo mpaka an-keriny ny sabotsy 12 oktobra 2024 lasa teo ity ankizy varira valo taona ity, tao Mahitsy, fokontany Fotsivato Lohafary, Vangaindrano. Niro­so tamin’ny fikarohana […]

SOMBIM-BAOVAO

Hatao rahampitso, eny amin’ny foibe toeran’ny Malagasy rugby Andohatapenaka, ny antsapaka hahalalana izay hifandona eo amin’ny ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondaka «Top 20». CRAI, Rosa, FTAT, JSTA, CEA, 3FAI, XV Avenir, XV Fa, no hiatrika izany. Lalao hatao ny 10 novambra ho avy izao, ao amin’ny Kianja Malacam. Notanterahina nanomboka […]