Nomarihina ny alahady teo ny ivon’ny fankalazana ny jobily volamenan’ny Sampana tanora kristianina (STK) FJKM Anosivavaka. Ny sabotsy, fankalazana notarihin’ny STK Synaodam-paritany Antananarivo Andrefana SPAA 10, ka nifanotronan’ireo STK manerana ny synaodam-paritany sy ireo olom-panjakana isan-tsokajiny. Niarahana tamin’ireo kristianina tao an-toerana izany, izay notarihin’ny raiamandreny mpitandrina sy ny biraon’ny fitandremana. […]
Auteur/autrice : Adnews
Oniversiten’Antsiranana: Mitsahatra anatin’ny fotoana tsy voafetra ny fampianarana
Nivory, ny faran’ny herinandro teo, ny fikambanana 15 eo anivon’ny oniversiten’Antsiranana sy ny OMC, ny préfecture, ny procureur, ny tale kabinetran’ny ary ny mpitantana ny oniversiten’Antsiranana manoloana ny savorovoro noho ny fizarana ny trano vaovao. Manoloana ny savorovoro niseho ao amin’ ny oniversiten’Antsiranana, eo amin’ny samy mpianatra, nivory ny OMC […]
Farihin’i Behoririka : 6 000 m3 ireo angon-tany nalana tao anatiny
Mirefy 1,50 ha ny farihin’i Behoririka izay diovina amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny talen’ny Fotodrafitrasa eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Faly Ramanantsoa, fa mbola mitohy ny asa ary tsy mbola voafaritra ny hahavitany, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Analakely, omaly. “Mahatratra 15 000 m3 na 20 000 m3 ny hadirin’ireo […]
VAOVAO TAMBATRA
Nosamborina ny vehivavy iray mpandraharaha ny fonja, ny 13 oktobra teo ary naiditra vonjimaika am-ponja. Voarohirohy nanamora ny fifandraisan’ireo voafonja tamin’ny trafika sokatra sy ireo olona ao anatin’ny tambajotra mbola eny ivelan’ny fonja izy. Tsiahivina fa vehivavy nisandoka ho polisy iray no tratra ny 10 avrily 2026, voarohirohy tamin’ny raharaha […]
Toamasina : Hiampy 1,8 MW ny famatsiana herinaratra
Nanafatra gropy mamokatra herinaratra miisa 10 ny orinasa Enelec, hiantohana ny famokarana herinaratra ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Manana tanjaka 350 kVA tsirairay avy ireo. Efa tonga ao an-toerana, ny 17 oktobra teo, ny milina miisa 7. Raha vao vita ny fametrahana ny lafiny teknika rehetra, hanomboka hiasa avy hatrany, rahampitso 20 […]





