Ny tetikasa Mianatra dia miompana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana toy ny fampisakafoana an-tsekoly sy ny zaridaina an-tsekoly. Eo koa ny fahasalaman’ny mpianatra, ny momba ny rano, fanadiovana, fiodiovana, ny fanentanana ny fiarahamonina amin’ny fananganana FEFFI ara-pomba demokratika…. 35 ireo sekoly ao amin’ny Cisco Toliara I sy Toliara II, Dren […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanehoana firaisankina : Notolorana vatsy ny ankizy tsy salama eny amin’ny hopitaly
Ao anatin’ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny fahaleovantena, nitsidika sy nankahery ary nitondra vatsy ho an’ireo ankizy tsy salama manaraka fitsaboana eny amin’ireo hopitalim-panjakana lehibe eto Antananarivo ny solontenan’ny fitondram-panjakana. Notarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Michaël izany, tamin’ity herinandro ity. Fitsidihana izay maneho indray ny fiaraha-mientan’ny fitondram-panjakana […]
Fanadinam-panjakana: Helohin’ny lalàna ny fiangarana manokana
Manantitrantitra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mahakasika ny didim-pitondrana laharana faha-19437/2026. Momba ny fisorohana sy fanasaziana ireo hosoka sy tsy fanarahan-dalàna mandritra ireo fanadinana sy fifaninanana ara-panjakana miankina amin’ny Men izy io. Meloka amin’ny fandikan-dalàna lehibe ny mpiasa rehetra tafiditra amin’ny fikarakarana fanadinana raha toa ka manome lanja manokana, manavakavaka na fitsinjovana […]
Fomba fitsarana ny ankizy; Mihena ny fanagadrana ary hampiharina ny fepetra hafa
Nanamafy ny fomba hitsarana ny ankizy, amin’ny alalan’ny fananganana ny drafitrasa 2026-2027, hampiroborobo ny rafitra fanagadrana manaja ny zon’olombelona i Madagasikara. Ahitana tanjona valo ny drafitrasa, hiantohana ny fisian’ny fitsarana mifanaraka sy miaro ny ankizy. Hanatsarana ny fahombiazana sy ny hafainganam-pandehan’ny raharaham-pitsarana, hampiroboroboana ny rafitra fanagadrana manaja ny zon’olombelona. Eo […]
Volan’ny teny malagasy: Tsy ampy ny fandraisana andraikitra
Ny manao ihany no manao. Volan-kankafotra, ny omaly tsy miova. Ambilombazana ny vokatra na fiovana azo antenaina aorian’ny fandalovana ny «Iray volan’ny teny malagasy» 2026. Misy ny ezaka ataon’ireo fikambanana maro, mandala sy mikolo ary mikajy ny hasin’ny teny malagasy, saingy tsy ampy. Manao izay ho afany izy ireny saingy […]




