Auteur/autrice : Adnews

Tranon-tseranana nasionaly Ivato : Nitombo avo roa heny ny fandraisana mpandeha

Manana ny lanjany ny zotra ana habakabaka anatiny, na nasionaly, eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Vao mainka hampiroborobo azy ny nanitarana ny fotodrafitrasa tranon-tseranana fandraisana ny mpandeha. Notokanana, omaly ny fanavaozana sady fanitarana ny tranon-tseranana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Antana­narivo. Nohalehibiazina ny efitrano malalaka, ka afaka mandray mpandeha avo roa heny, […]

FANTINA sy FINTINA

Haka traikefa any Rosia ny Ceni. Nandray anjara tamin’ny fiofanana momba ny fanaraha-maso ny fifidianana notanterahina tany Rosia ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry. Tafiditra ho anisan’ny mpikambana i Madagasikara, taorian’ity fampiofanana ary nahazo fanasana hanara-maso ny fifidianana depiote, hatao any Rosia, ny volana septambra izao. Voafidy ho ben’ny Tanàna lefitra […]

Filoha Randrianirina Michaël : Hiatrika ny « Africa Forward »

Hotanterahina ny 11 sy ny 12 mey ho avy izao, ny hetsika lehibe iraisam-pirenena “Africa Forward”. Tompon’ny fanasana amin’izao fihaonana izao ny filohan’ny Repoblika Kenyanina, William Samoei Ruto sy ny filoha filoha Frantsay, Emmanuel Macron. Anisan’ireo nasain’izy ireo ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Hihaonan’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny go­vernemanta afrikanina […]

Misamboaravoara tanteraka

  Mahavariana ihany ilay zava-miseho eto Mada­gasikara, amin’izao fotoana izao. Toa tsy hita taratra ilay maha Malagasy tia zaka tsara. Toa variana amin’ny vola aman-karena, miharo fitiavam-pahefana sy voninahitra, ny olon-drehetra. Samy maka ho azy, samy miaro ny rambony. Tsy te hahalala zavatra hafa ankoatra ny vatana maha olona. Manovokovoka […]

Fifandraisana diplaomatika: Nampanantsoin’ny minisitera ny ambasadaoro frantsay

Mihenjana manoloana ny fitondran-tenan’ny diplaomaty sasany eto Madagasikara ny fitondran’ny Fanavaozana. Nampanantsoina teny Anosy ny ambasadaoro frantsay, Arnaud Guillois, omaly. Voaantso teny amin’ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny ny ambasadaoron’ny Repoblika frantsay, Sem Arnaud Guillois, omaly, araka ny fanambarana nampitain’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Nampahafantarina ny ambasadaoro nandritra ny fihaonana, tamin’izany, ny fanapahan-kevitry […]