Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Handeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM), ny lalao hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Scorpion Gambie. Lalao hatao rahampitso, ao amin’ny kianja Larbi Zaouli, ao Maroc. Hanomboka amin’ny 5 ora folakandro eto Madagasikara izany. Fihaonana tafiditra ao anatin’ny andro fahatelo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny Can 2025. Resin’i Afrika Atsimo, ny talata […]

Basikety-YOUTH CAMP 2024 : tanora 4 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara

Hatao manomboka ny 14 oktobra izao, ny fiofanana “Fiba Afrika Youth Camp 2024”, taranja basikety. Manana solontena efatra mianadahy i Madagasikara. Nampahafatarin’ny Fede­rasiona malagasy, ta­min’ny alalan’ny filohany, Ramaroson Jean Michel, ny talata lasa teo ireo tanora efatra mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny fiofanana karakarain’ny Fiba Afrika miaraka amin’ny […]

PAMF: hanome vahana ny tolotra niomerika

Hampiroborobo ny fampiasana ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Ireo no tanjona apetraky ny Première Agence de Microfinance (PAMF). Laharaham-pahamehany ny hanamorana ny fikirakirana vola eto Madagasikara, ny hampiroborobo ny toekarena sy hanakaiky ny mpanjifa indrindra ireo toerana any an-tany lavitra. «Tanjona ny hahamatihanina ny fifandraisana amin’ny mpanjifa», hoy […]

“Fijery hafa” : hitohy eny Anosibe ny fanofanana

Taorian’ny hetsika “Fijery hafa”, natao tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry, ny volana septambra lasa teo, mitohy hatrany ny ezaka mahakasika ny fanofanana faobe ataon’ ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, izay tarihin’ny minisitra Rasoloarisoa Marie Marcelline. Fomba fiasa vaovao napetraky ny minisitra ny fijery hafa. Tanjona ny hanatonana manokana […]