Auteur/autrice : Adnews

Ady amin’ny kolikoly : hojerena manokana ny zon’olombelona

“Taloha, rehefa miresaka ady amin’ny kolikoly: tsy jerena loatra ny fiantraikany amin’ ny zon’olombelona. Nefa misy fiantraikany be dia be ny tsy fahazoan’ny vahoaka ny zony, araka ny Lalàmpanorenana: any amin’ny fampianarana, ohatra, ny fahasalamana, ny fitsarana, ny fananan-tany”. Izay ny fanazavan’ny filohan’ny Komity mitandro ny fahi­tsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, […]

Depiote Dr. Rajaobelina L.H.: Tsy atao ambanin-javatra ny fampandrosoana

Voafidy indray ho solombavambahoaka ao amin’ny distrikan’i Moramanga, ny Dr. Rajaobelina Lova Herizo, sady filohan’ny vaomieran’ny Faha­sa­lamabahoaka eny amin’ny Antenimerampirenena. Ho azy, zava-dehibe ny anjara birikin’ny depiote ny Fama­tsiam-bola to­ha­na ho an’ny fampandrosoana (Ciad). Nam­pi­asana io vola io ho an’ny distrikan’i Mo­ra­manga, tamin’ny fe-potoam-pi­a­sany teo aloha, ny fividianana jiro «cobra», […]

Kandidà lah. 7 Ramanantsoa Harilala ; “Tanjona: Antananarivo mandroso, madio, milamina”

Anisan’ny nanatanteraka ny an-tsapaka ho amin’ny filaharana anaty bileta tokana ny teto Antananarivo Renivohitra, omaly, tetsy amin’ny Ovec, Isotry. Niantso ny mpifidy amin’izay maharesy lahatra azy avy ny kandidà, Ramanantsoa Harilala. “Tanjona tratrarina ary apetraka: Antana­na­ri­vo mandroso, Antan­a­na­rivo madio, Antananarivo milamina. Koa manomboka izao, ny fanentanana sy ny fandrindrana rehetra […]

Antenimierandoholona aty Afrika: hatsangana, anio, ny vondrona

Tanterahina anio sy rahampitso, any Cote d’Ivoire, ny fivoriambe fananganana ny Von­dron’ireo Antenimierandoho­lo­na aty Afrika. Loholona avy amin’ny firenena afrikanina maro no miatrika izany. Ani­san’ izany ny Jly Ravalomanana Richard, amin’ny maha filohan’ Antenimierandoholona azy. Tan­jona ao anatin’izany ny fanamafisana ny diplomasia parlemantera. Sehatra iray hahafahan’ireo Loholona, avy amin’ny firenena […]

Fiaraha-miasa: manohana ny fampandrosoana eny ifotony ny repoblika federalin’i Alemaina

Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, omaly, ny ambasadaoron’i Alemaina, i Olivier Knoerich. Voaresaka ny hanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Teo koa ny fifampiresahana momba ny fitsinjaram-pahefana. Anisan’ny mavitrika amin’ ny fanohanana ny tetikasa eo amin’ny […]