Auteur/autrice : Adnews

Rugby – «Top 12 Mada»: hanohitra ny Uscar ny 3FB

Hitohy amin’ny alahady 13 oktobra izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahavalo amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby “Top 12 Mada”. Lalao telo no voalahatra amin’izany. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny Uscar, ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny 3FB an’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Adin’ny samy boaty ny an’ny roa tonta. […]

SOMBIM-BAOVAO

Handeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM), ny lalao hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Scorpion Gambie. Lalao hatao rahampitso, ao amin’ny kianja Larbi Zaouli, ao Maroc. Hanomboka amin’ny 5 ora folakandro eto Madagasikara izany. Fihaonana tafiditra ao anatin’ny andro fahatelo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny Can 2025. Resin’i Afrika Atsimo, ny talata […]

Basikety-YOUTH CAMP 2024 : tanora 4 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara

Hatao manomboka ny 14 oktobra izao, ny fiofanana “Fiba Afrika Youth Camp 2024”, taranja basikety. Manana solontena efatra mianadahy i Madagasikara. Nampahafatarin’ny Fede­rasiona malagasy, ta­min’ny alalan’ny filohany, Ramaroson Jean Michel, ny talata lasa teo ireo tanora efatra mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny fiofanana karakarain’ny Fiba Afrika miaraka amin’ny […]