Hitohy amin’ny alahady 13 oktobra izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahavalo amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby “Top 12 Mada”. Lalao telo no voalahatra amin’izany. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny Uscar, ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny 3FB an’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Adin’ny samy boaty ny an’ny roa tonta. […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Handeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM), ny lalao hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Scorpion Gambie. Lalao hatao rahampitso, ao amin’ny kianja Larbi Zaouli, ao Maroc. Hanomboka amin’ny 5 ora folakandro eto Madagasikara izany. Fihaonana tafiditra ao anatin’ny andro fahatelo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny Can 2025. Resin’i Afrika Atsimo, ny talata […]
45 ème Grand RIM : mpanamory 31 hiady lohany
Nifarana ny talata teo ny fizahan-dalana, ho an’ireo mpanamory 31 hiady lohany amin’ny andiany faha-45 amin’ny Grand Rally International de Madagascar. Fifaninanana, hatao eto Antananarivo ny 11 ka hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao. Hiatrika ny fizahana teknika izy ireo, anio, ary hiatrika ny dingana voalohany rahampitso. Hanatontosa ny dingana […]
Basikety-YOUTH CAMP 2024 : tanora 4 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara
Hatao manomboka ny 14 oktobra izao, ny fiofanana “Fiba Afrika Youth Camp 2024”, taranja basikety. Manana solontena efatra mianadahy i Madagasikara. Nampahafatarin’ny Federasiona malagasy, tamin’ny alalan’ny filohany, Ramaroson Jean Michel, ny talata lasa teo ireo tanora efatra mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny fiofanana karakarain’ny Fiba Afrika miaraka amin’ny […]
PAMF: hanome vahana ny tolotra niomerika
Hampiroborobo ny fampiasana ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Ireo no tanjona apetraky ny Première Agence de Microfinance (PAMF). Laharaham-pahamehany ny hanamorana ny fikirakirana vola eto Madagasikara, ny hampiroborobo ny toekarena sy hanakaiky ny mpanjifa indrindra ireo toerana any an-tany lavitra. «Tanjona ny hahamatihanina ny fifandraisana amin’ny mpanjifa», hoy […]




