Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Hiditra lalindalina kokoa amin’ny fifanakalozana ara-barotra i Madagasikara sy Egipta ho an’ny fampiroboroboana ny indostira sy ny fampandrosoana ny firenena. Samy manana vokatra tsara kalitao ny roa tonta ka ahazoana tombontsoa ny fampiakarana ny habetsahan’ny fifanakalozana. Vonona ny hiara-miasa hampivoatra ny famokarana eto Madagasikara ny Programme alimentaire mondial (Pam) amin’ny […]

Tapany Atsimo : fampandrosoana maharitra eny ifotony

Maro ny fotodrafitrasa vita any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Tanteraka izany vokatry ny fandaharanasa vatsian’ny Tahirimbola eoropeana ho an’ny fampandrosoana (Fed), tamin’ny alalan’ny Tantsoroka famatsiam-bola ho an’ny fambolena sy ny seha-pihariana ho an’ny rehetra (Afafi), tapany Atsimo. Misitraka izany ny faritra Anosy, Androy ary Atsimo Atsinanana. Anisan’ny zava-bita ny fanajariana […]

Olan’ny delestazy : nampanantsoina maika ireo tomponandraikitra

Voaantso teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny minisitry ny Rano sy ny fahadioavana ary ny fidiovana, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, ary ny tale jeneralin’ny Jirama mahakasika ny olan’ny famatsiana herinaratra sy rano. Voaresaka nandritra ny fivoriana vonjimaika ny tsy maintsy hitondrana vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka hamahana ny […]

INDRAY MIJERY

Mihamafy hatrany ny fahatapahan-jiro sy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Andro aman’alina ny fiandrasana laharana sy izay andehanan’ny rano eny amin’ny paompim-pokonolona. Na ireo tanàna nisitraka rano naharitra hatrizay aza lasa mijaly rano ankehitriny. Fotoana mampirongatra ny karazan’aretina, indrindra ho an’ny sokajin’olona marefo, ny fotoan’ny hafanana migaina raha […]