Auteur/autrice : Adnews

Mitohy ny “Fijery hafa” : vehivavy 164 hisitraka fiofanana

Ho tohin’ilay hetsika “Fijery hafa” natao tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry, ny volana septambra lasa teo, noraisin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ireo tanora amam-behivavy hiofana. Hanomboka ny faran’ny volana oktobra ho avy izao ny fiofanana maimaimpoana, ary mahatratra hatrany amin’ny 164 ireo tonga nanamafy […]

Aretina mamany lava : vehivavy 50 000 no marary, 20 voatery nodidina

Midina any amin’ny toerana alavitra ny mpisehatra sosialy ao amin’ny “Opération Fistula” mitady ireo vehivavy tratran’ny aretina mamany lava mila fandidiana. Matetika miafina lavitry ny fiarahamonina izy ireny. 20 ireo miatrika fandidiana eny amin’ny Pavillon Sainte Fleur, ny 23 septambra teo hatramin’ny 4 oktobra. Tanjona ny hanafoana ny aretina mamany […]

Afafi Afovoany : fampandrosoana ny eny ambanivohitra

Tohanan’ny Fandaha­ranasam-pirenena enti-ma­nondro (PIN) sy ny Tahi­rimbola eoropeana ho an’ny fampandrosoana (Fed) ny Fandaharanasa Afafi Afo­voany, ho fanoitra hampiroboroboana ny fambolena eny ambanivohitra. Misitraka ny fandaharanasa ny faritra Analamanga, Itasy ary Alaotra Mangoro. Miisa 5 455 ny tantsaha mpamboly legioma sy mpiompy akoho nahazo tantsoroka tamin’ny tetikasa Ambioka. Maherin’ny 6 […]

« Festival des Pirates » : hampiroborobo ny fizahantany any Nosy Boraha

Hotanterahina ny 1, 2, 3 novambra izao, any amin’ny Nosy Boraha, ny «Festival des Pirates» andiany faharoa. Hetsika ara-kolontsaina entina hampiroboroboana ny fizahantany sy ny toekarena ao an-toerana. Hisy ny lalao sy fifaninanana, fa­nentanana samihafa, ary fampisehoana ataon’ireo artista maro mandritra ny telo andro hanaovana ny hetsika. Ham­piavaka ny amin’ity […]

SOMBIM-BAOVAO

Namoaka fanambarana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, fa hisokatra eo anelanelan’ny 30 septambra hatramin’ny 15 oktobra ho avy izao ny fifindrana mpilalao eto Madagasikara. Marihina fa tsy main­tsy mahazo fankatoavana avy amin’ny klioba nialany ny mpilalao iray vao afaka mifindra. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, […]