Tontosa afakomaly, tetsy amin’ny Le pavé Antaninarenina, ny atrikasa fifampizarana sy famolavolana ireo fitaovana enti-mampiofana ny fandaharanasa “Sandwatch” sy ny fitaovam-pampianarana “Kit Mad’ErE”. Miompana amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny morontsiraka ary ny torapasika ny fandaharanasa “Sandwatch”. Fitaovam-pampianarana, novolavolain’ny CREE niaraka tamin’ny Giz Page 2, kosa ny Kit MAD’ErE. Natao […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanafihana mitam-piadiana: Jiolahy roa lavon’ ny polisy
Lavon’ny balan’ny polisy ireo jiolahy roa raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana, afokomaly. Azo sambo-belona kosa ny iray hafa. Anisan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana nisesisesy teto Antananarivo Renivohitra izy ireo. Nataon’ny polisy hazalambo izy ireo ary voasambotra tao amin’ny trano iray tetsy Ankazotoho. Ahina ho anisan’ireo andian-jiolahy nanao fanafihana mitam-piadiana tetsy Andohan’Analakely […]
Taranja tolona – Ekipa nasionaly malagasy : Mahatratra 80 mahery ireo atleta hifantenana
Efa ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ny ao amin’ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML), amin’izao fotoana izao. Miisa 80 mianadahy ireo atleta hanaovana fifantenana handrafitra izay ho ao anaty ekipam-pirenena. Hotontosaina ny 29 avrily hatramin’ny 4 mey ho avy izao, any Maroc, ny fiadiana ny ho […]
INDRAY MIJERY
Miara-miasa ny ATT, DGSR, ny kaominina ao Toamasina, ny polisim-pirenena ary ny zandarimariam-pirenena ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Nentanina sy nampianarina ireo mpamily kodiaran-droa ao an-toerana. Ao koa ireo kodiaran-telo misy motera (Tuk Tuk) sy tsy misy motera (Cyclo-Pousse). Hitohy manerana ny Nosy ny oram-pahavaratra, hoy ny meteo Madagasikara. Mila miomana […]
Hopitaly Befelatanana : Betsaka ny reny sahirana tonga hiteraka
Nijery ny zava-misy eny amin’ny hopitaly fiterahana Befelatanana ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana. Manoloana ilay vaovao niparitaka teny amin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ilay renim-pianakaviana avy niteraka tsy afaka mivoaka ny hopitaly fa tsy maintsy manefa trosa no anton’ny fidinana ifotony. « Voaporofo tamin’izany fa maromaro ireo renim-pianakaviana misedra izay olana izay », hoy izy. […]