Hiato ny famokarana ao amin’ny UTC 1000, ao Mandroseza, ka hampikorontana ny famatsian-drano amin’ny faritra maro eto Antananarivo. Hitohy hatramin’ny alatsinainy ny asa ary tanjona ny hampitombo ny habetsaky ny avoakan’ny paompy. Voakasiky ny tetikasa ny eny amin’ny Haute ville, Faravohitra, Ambatonakanga, Antaninarenina, Amparibe, Mahamasina, Behoririka, Ankadifotsy, Manjakaray, Anjanahary, Amboditsiry, […]
Auteur/autrice : Adnews
Orange Madagascar : Manohana amin’ny sehatra niomerika
Natao tao amin’ny Orange Digital Center Fianarantsoa, omaly, ny hetsika “Masterclass”. Ho tohin’ny fankalazana nasionaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora, ny 12 sy 13 aogositra izany. Hetsika nahasarika tanora maherin’ny 5 000. Tanjona ny hanome tantsoroka sy fahaiza-manao ho an’ny tanora, hahafahany mamadika ny hevitra ananany ho lasa tetikasa. […]
Port Sec III : Manomboka ny fananganana ny tetikasa
Nanomboka ny alakamisy teo, tao Antanandava-Toamasina ny dingana voalohany amin’ny fanatanterahana ny Port Sec III. Nitsirika ny toerana hanaovana ny tetikasa ny orinasa Colas, hanao ny asa, sady nijery sahady ny paikady hametrahana ny “Plateforme multimodale logistique et portuaire de Toamasina” (PMLP-T). Tanjona ny hananana seranan-tsambo manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. […]
MASACHAM : Hanandratra ny fifanakalozana i Madagasikara sy i Afrika Atsimo
Soa fanararaotra ho an’ny fampiasam-bola sy fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny malagasy mpandraharaha sy Afrika Atsimo ny Tranoben’ny varotra Madagasikara-Afrika Atsimo (Masacham). Vina iraisana ny hampiroboroboana ny toekarena eo amin’ny firenena roa tonta. Tetezana hampifandray ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana eo amin’ny firenena malagasy sy Afrika Atsimo ny Masacham. Tanjona ny […]
FANTINA sy FINTINA
I Jean-Marc Grosgurin no masoivoho manokana sady manana fahefana feno, vaovaon’ny Repoblika frantsay, eto Madagasikara. Tamin’ny alalan’ny didim-panjakana navoakan’ny filoha Emmanuel Macron, ny 7 aogositra lasa teo izany, ary nivoaka tao amin’ny Gazetim-panjakana frantsay, ny 8 aogositra. Izy no nandimby ny ambasadoro Arnaud Guillois. Tokony hifantoka bebekokoa amin’ny fifidianana sy […]




