Ho fanatsarana ny fahaiza-mampiasa ny vaovao ara-toetr’andro, ho fiarovana ny mponina, nisy ny fiofanana ho an’ireo tomponandraikitra eny ifotony, mpiara-miombon’antoka ara-teknika ary teknisianina. Taorian’ny fiofanana ho an’ny mpanao gazety sy mpanentana amin’ny onjampeo tao Vatomandry, nanohy ny fampiofanana ny ekipan’ny Foibe famantarana ny toetr’andro. Tao Ambovombe no nanatontosana izany, nanomboka […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Misaona ny tontolon’ny tsipy kanetibe Analamanga. Nodimandry ny talata lasa teo Ravelonanosy Jean Marc Claude, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana Coucounou. Ankoatra ny naha mpilalao azy, efa filoha lefitry ny Club CBT Antananarivo ihany koa Itompokolahy. Miatrika fiofanana eto Analamanga, nanomboka ny talata lasa teo, ireo mpitsara amin’ny baolina kitra […]
Kitra any ivelany : Hiverina hiakatra kianja i Ronaldinho
“11 taona aty aoriana …!” Araka ny vaovao mahoraka any ivelany, fantatra fa hiverina hiakatra kianja ary hilalao ao amin’ny klioban’ny Ravenne, diviziona fahatelo ao Italia, ilay kintan’ny baolina kitra brezilianina, i Ronaldo de Assis Moreira na i Ronaldinho Gauchò. 46 taona izao ny lehilahy ary efa tany amin’ny taona […]
FC Rouge sy CFFA : Samy hampihatra ny takitikany
Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha ny lalao mandroso amin’ny fifaninanana “Coupe des Champions” izay hifanandrinan’ny CFFA, tompondakan’i Madagasikara sy ny FC Rouge, tompon’ny amboara nasionaly. Fihaonana izay hanomanan’ny ekipa roa tonta ny lalao afrikanina “Ligue des champions Caf” ho an’ny CFFA sy ny “Coupe de la conféderation Caf” […]
“Rugby à 7”, sokajy lehilahy: Hiady toerana any Ouganda ny Makis Madagasikara
Hiditra amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Challenger series 3” ny Makis an’i Madagasikara ho an’ny rugby lalaovin’olona fito, sokajy lehilahy. Firenena enina no hiady ho lohany amin’izany ka tafita amin’ny “World Rugby Sevens 3” izay voalohany. Novain’ny Rugby Afrique ny rafitra hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny rugby lalaovin’olona 7 […]




