Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Analamahitsy (CSP8) teny Anosizato sy Andraisoro, afakomaly, ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamina fanafihana tranona mpamongady iray eny Ankerana Ankandindramamy ny 17 septambra 2024 teo. Taorian’ny fikarohana nataon’ny polisy, tratra teny Andraisoro ny roa tamin’ireo jiolahy raha teny Anosizato kosa ny roa hafa, afakomaly. […]
Auteur/autrice : Adnews
Fakana an-keriny: hiakatra fampanoavana ny depiote Zozo
Hiakatra fampanoavana, anio, ilay raharaha fakana an-keriny tao Tsaratanana nahavoasaringotra ny depiote teo aloha, Ratsimanosika Alexandre (Zozo), sy ireo olona efatra nosamborina niaraka taminy. Isan’ireo voasambotra niaraka taminy ny mpiambina azy sy ny rahalahiny ary olona roa hafa. Dimy izy ireo, araka izany, no hiatrika ny fampanoavana. Ny alakamisy 19 […]
Mahajanga : mpamaky trano roa lahy voasambotra
Tratran’ny polisy nanao fisafoana ny mpamaky trano roa lahy avy nanao ny asa ratsiny tao amin’ny faritra La Corniche, ny alin’ny 23 septambra teo, tamin’ny misasak’alina. Nilanja fahitalavitra nandritra ny andro maizina tamin’io fotoana io ny lehilahy iray. Nifanena tamin’ny polisin’ny UIR, nandositra avy hatrany izy. Nanaraka azy ny mpitandro […]
Nidaroka am-badiny: vazaha lehilahy nosamborin’ ny zandary
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny teratany vahiny iray nikasi-tanana ny sakaizany tetsy amin’ny kaominina Ambohidratrimo. Nokorontaniny ny mponina manodidina azy ireo. Nampihatra herisetra tamin’ny sakaizany, notanana ataon’ny zandary fanadihadiana ny teratany vahiny iray teny Ambodifarihy, fokontany Atsimomparihy, kaominina Ambohidratrimo. Niaraka tamin’ny toeram-pisakafoana iray teny Ivato ilay vazaha sy ny sakaizany ny […]




