Miampy 97 indray ireo injenera navoaka’ny Sekoly ambony momba ny hay famokarana sy ny Zava-boary (ESSA) eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo ireo andiany « Andrarangy, Mahasedra ». Vondrona manam-pahaizana sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny famokarana. Matoky, araka izany, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Ankazobe : may ny manodidina ny alan’Ambohitantely
Niredareda ny afo, omaly, manodidina ny tahirin’ala Ambohitantely, distrika Ankazobe. Tonga hatrany amin’ny sisin’arabe ny afo ka sarotra ny fifamezivezena, araka ny loharanom-baovao any an-toerana. Maty tanteraka kosa ny afo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Foibem-pirenena fanofanana teknisian’ny ala (CNFTF) Angavokely. Tafiditra tanteraka anatin’ny vanim-potoan’ny haintany isika izao, fotoana mampirongatra […]
Banky afrikanina ho an’ny Fampandrosoana : nanome 67 tapitrisa dolara an’i Madagasikara
Mitentina 67 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola nomen’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) an’i Madagasikara ho fampandrosoana ny firenena sy ho fampiroboroboana ny toekarena. Mitohy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Bad, ny zoma teo, ny fanomezana tohana ara-bola hatrany amin’ny 67 […]
INDRAY MIJERY
Nisy fifampizarana momba ny fanohizan’ny Malagasy fianarana ambony any Frantsa karakarain’ny Campus France eto Madagasikara ny faran’ny herinandro teo, tany Mahajanga. Isan-taona ny fanentanana sy fampahafantarana toy izao ary tsapa fa mahaliana ny tanora vao nahazo mari-pahaizana bakalorea farany teo ny hetsika. Nitrangana haintrano tao amin’ny Akany Avoko Bevalala, ny […]
« Salon de la gastronomie » : sehatra hanomezan-danja ny ara-tsakafo
Hatao etsy amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny 26, 27 ary ny 28 septambra izao ny « Salon de la gastronomie », andiany faha-10. Hetsika tohanan’ny Telma Madagascar sy hiaraha-miasa amin’ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF) ary ny Havila School. Omena sehatra ireo mpanentana sy orinasa madinika miompana amin’ny tontolon’ny […]




