Auteur/autrice : Adnews

Ambohimanga Rova : Roa vavy niaraka hita faty

Tovovavy 17 taona sy 21 taona hita faty teny Ambohimanga Rova, omaly. Novonoina tamin’ny alalan’ny zava-maranitra avokoa izy ireo. Vatana mangatsiaka, an’i Stephanie sy Haingo­tiana, no hany sisa hi­tan’­ny fianakaviany tao An­dra­­nomatsatso, kaominina Am­bo­himanga Rova, omaly. «Voa­rasa antsy teo amin’ny tendany i Stephanie ary tsatoka zava-maranitra indimy no hita teo […]

Havàtsa-Upem 74 taona: Andiany fahefatra ny « Dia rodoben’ny vakiboky »

Fikambanan’ny poeta sy ny mpanoratra malagasy ny Havàtsa-Upem. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanamari­hana ny faha-74 taonany. Hisy ny « Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe » andiany fahefatra. Hetsika hotantera­hina ny sabotsy 5 septambra izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina, eo Analakely ano­loan’­ny Lapan’ny tanàna. Dia mizotra mankany amin’­ny Garan’i Soarano. Mi­hodina mizotra mahitsy […]

25 taona tao anaty rap : Vahinin-dRaboussa ry 18, 3, Marion, Doubl’Enn

Izy irery, hatreto, no mpanao rap gasy nahazaka ny Lapan’ny fanatanjahantena. Niantso ireo namany hifampizara sehatra aminy Raboussa, no manomana seho ho tadidy sy ampitaina ihany koa. Herintaona toy izao, nirefotra tsara ny Lapan’ny fanatanjahantena… Fa­nokafana ny 25 taona an-tsehatra iny, ho an-dRa­boussa. Hofaranana ao ihany ny fankalazana ny 30 […]

Faritra Itasy : Notohanana ny zokiolona sy ny manana fahasembanana

461 ireo zokiolona manana karatra maha mpikambana nisitraka tantsoroka ara-tsa­kafo sy ara-pitaovana tamin’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, omaly, tao Itasy. Nizara mivantana izany ny minisitra Rakotoniaina Voa­han­ginirina Cathia. Ankoatra izay, olona ma­nana fahasembanana miisa 22 ihany koa no nizarana fa­nampiana, nahitana fitaovan-dakozia sy milina fanjairana. Tanjona ny hanamafisana […]

Amadia : Mikarakara ETP ho an’ny olon-dehibe

Mikarakara hetsika Education thérapeutique (ETP) ho an’ny olon-dehibe miaina miaraka amin’ny diabeta ny fikambanana Amadia (Andia malagasy miady amin’ny diabeta), anio.Hiaraka handalina ny lohahevitra: ny diabeta sy ny tosidra izy ireo. Hitondra fampianarana amin’io fotoana io ny Dr Ramiandrisoa Lahitriniavo Ritchy. Eny amin’ny Clinique Amadia Faravohitra, manomboka amin’ny 9 ka […]