Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Miakatra ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto an-dRenivohitra, nandritra ny 6 hatramin’ny 12 septambra teo. Avo 2 heny (30µg/m3) miohatra amin’ny fetran’ny OMS (15µg m3) ny refy voaray, ary mbola hitohy hatramin’ny anio. Eny Amboditsiry no tena maloto indrindra, ary manaraka azy ny eny Andranomena, Soanierana, Antsakaviro, Ambatobe, Ampandriano­mby, sns. Lasa […]

Minisitera mpiahy : hoentina any Dubaï ny mpanao asa tanana

Nihaona tamin’ny mpiara-miasa aminy, eny amin’ny departemantan’ny Asa tanana, eny amin’ny Cenam Andavamamba, ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa, ny 13 septambra teo. Nohazavainy fa anisan’ny tena mampandeha ny taozavatra vokarintsika sady antoka ho fampandrosoana anatiny, ny fahamaroan’ny fahatongavan’ny mpizahatany mitsidika an’i Madagasikara. Mila miray fo […]

INDRAY MIJERY

Nihaona tany Taolagnaro, ny herinandro teo, ireo tomponandraikitra ao amin’ny Fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny sakafo (Pam). Nanao ny tombana ny asa vita ho an’ny enim-bolana voalohany ta­min’ity taona ity izy ireo. Fotoana ihany koa nitsidihina ny toerana fitahirizana tsakafo any an-toerana. Nandritra ny fitsidihan’ny ekipan’ny mi­nisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tany Tsihombe- Androy, […]