Ny hoe : zaza navela dia ireo mpandimby, solofo dimbin’ny ala, saonjo mihoatra akondro. Izy ireo no heverina fa hitondra aina vao ao anatin’ny fianakaviana na fikambanana. Tsy fomban’ny olon-kendry ny mitazona fahefana ela loatra. Rehefa tsapany fa miha osa na miha kely hery ny tenany, antsoina ny zaza navela. […]
Auteur/autrice : Adnews
Volley-ball – “Open 2è division” : Tompondaka ny ASI sy ny Squad 1
Nivoaka ho mpandresy nandritra ny fifaninanana “Open division Analamanga”, taranja volley-ball, ny ekipan’ny ASI sy ny Squad 1. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankatso, ny fifaninanana “Open 2è division Analamanga”, taranja volley-ball. Voahosotra ho tompondaka, nandritra izany, ny ASI, teo amin’ny sokajy lehilahy ary ny Squad […]
Sombim-baovao
Tontosa teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny andiany fahefatra, amin’ny Xtrême Combat, taranja kick-boxing. Firenena vahiny 4 no tonga nandray anjara, niaraka tamin’ny ekipa malagasy, nahitana an’i Frantsa, La Réunion, Mayotte ary i Maurice. Nisongadina ny Malagasy mpikatroka. Nanomboka omaly, ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, […]
“King of JJB” : Nisongadina ny klioban’ny Chekmat
Tontosa omaly, teny amin’ny Immeuble Soa Center Soanierana, ny fifaninanana “King of JJB”, taranja Jiu-Jitsu Breziliana. Fifaninanana nokarakarain’ny Estrella Team ho fankalazana ny faha-12 taonan’ny klioba ity notontosaina ity. Klioba 7 no tonga namaly ny antso ka nisongadina ny klioban’ny Chekmat izay nandrombaka ny fandresena teo amin’ny Violette-Marron-Noire, tamin’ny alalan’i […]
Rugby – «Top 12 Mada»: Mbola tsy afa-bela tamin’ny Manjakaray ny Savony
Voahaja ny lojika ary mbola voaporofo ny maha andrarezina ny fileovana FTM Manjakaray, eo amin’ny fifaninanana “Top 12 Mada”. Tsy nahatohitra azy ireo ny STM (Savony), nandritra ny andro fahenina notanterahina omaly. Notanterahina omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahenina amin’ny fifaninanam-pirenena “Top 12”, taranja rugby. Anisan’ny lalao […]




