Notokanana ny sabotsy teo ny fanavaozana ny EPP Ambohimahitsy, anatin’ny kaominina Ampitatafika. Nandray an-tanana ny asa ny Lions club Antananarivo Iarivo. “Efa simba sy potika vokatry ny natiora sy ny fahelan’ny taona ny sekoly ka hitondra vokatsoa ny fanavaozana azy”, hoy ny talen-tsekoly, nandritra ny lahateniny. Nasiam-panavaozana ny dalazy sy […]
Auteur/autrice : Adnews
Akany Arivonimamo : nampian’ny Amerikanina ireo zanaka zandary
Nahatsiaro manokana ireo ankizy beazina ao amin’ny Akanin’ny zandarimariam-pirenena ao Arivonimamo ny masoivoho amerikanina, amin’izao fiandohan’ny taom-pianarana izao. Niaraka tamin’ny ekipany, ny masoivoho i Pierangelo Claire, nanatitra fitaovam-pianarana sy sakafo ho an’izy 84 mianadahy zanak’ireo zandary lavo am-perinasa tezaina ao amin’ny akany. Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny akany no natao ary […]
Kaominina Antananarivo Renivohitra : olona 3 000 nangataka fanazavana momba ny fandoavan-ketra
Manao fanamorana ny fandoavana hetran-trano ny kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ny taona 2021-2022. Mamaly ny fanazavana momba izany ihany koa ny vaomiera manokana natsangana. Nisy ny atrikasa fandresen-dahatra sy fanazavana momba ny hetran-trano 2023 (Ifpb), ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny herinandro teo. Tapaka tamin’izany fa hivoaka manomboka ny volana oktobra […]
Taekwondo – Seksiona Ambohidratrimo : mpikatroka 66 nifanintsana tetsy Ivato
Notontosaina teny amin’ny Esca Para RFI Ivato ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, seksiona Ambohidratrimo, sokajy zandriny sy zokiny, Sénior, lahy sy vavy. Miisa 66 mianadahy ireo mpikatroka tonga namaly ny antso teny an-toerana. Avy amin’ny klioban’ny Esca Para sy ny ETAA izy ireo. Nisongadina tamin’izany ny mpikatroka avy amin’ny […]
Baolina kitra: mitady mpilalao hanatevina azy ireo ny Disciples FC
Taorian’ny fiatrehan’ny Disciples FC Vakinankaratra, ny “Ligue des Champions (LDC) Caf 2024”, ny volana aogositra lasa teo. Nilaza ny loharanom-baovao iray ao amin’izy ireo, omaly, fa mitady mpilalao hanatevina ny ekipany, amin’izao fotoana izao. Raha ny fantatra, efa misy mpilalao roa avy amin’ny klioba iray mifanintsana amin’ny “Pureplay Football League” […]




