Auteur/autrice : Adnews

Kaominina Brieville: olona telo nalain’ny dahalo an-keriny

Miseholany ny trangana fakana an-keriny! Vehivavy roa sy lehilahy iray indray nalain’ny olon-dratsy takalonaina tao Babangy, fokontany Mamavo, kaominina ambanivohitra Brieville, distrika Tsaratanana, ny zoma 12 septambra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray ny jiolahy dimy nitondra Kalachnikov. Nanambana fitaovam-piadiana ny tompon-trano ny mpandroba, tamin’ny 9 ora alina.  Nitaky […]

Lasa ny taolan-dava… : naparitak’ireo jiolahy ny razana tao am-pasana

Fahasahiana! Izay no azo ilazana ny fihetsika nasehon’ireo olon-dratsy tompon’antoka tamina vaky fasana tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambodihasina, fokontany Ambahivahikely kaominina ambanivohitr’Anketrakabe, distrikan’Antsiranana II, ny sabotsy 14 septambre 2024 teo. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany Ambahivahikely ny zandary momba ny fahavakisan’ny fasana iray ao amin’ny faritra iadidiany. Nidiran’olon-tsy […]

Nikasa hivarotra olona: mpangala-jaza tratra teny Mahitsy !

Voasambotry ny zandary ny mpangala-jaza teny Mahitsy Ambohidratrimo. Miisa telo mianadahy izy ireo saika hivarotra ankizy, izay efa nifampitadiavan’ny fianakaviany. Telo mianadahy voasaringotra tamin’ny raharaha hala-jaza niseho tao amin’ny distrikan’Ambohidra­trimo, ny 13 septambra teo. Naharay fitarainana ny zandarimaria miasa ao an-toerana fa hita any amin’ny vehivavy iray tao amin’ny fokontany […]