Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Nitsidika an’i Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Niritsoa, nihaona tamin’ireo manampahefana sy olom-boafidy izy. Nisy koa ny fihaonany tamin’ireo rantsamangaikan’ny minisiteran’ny Atitany: lehiben’ny distrika, lehiben’ny boriborintany… Nisy toromarika nomena ho amin’ny fanatsarana sy fampiroboroboana ny fitantanana lafin-tany, araka ny vinan’ny fitondram-panjakana. Nilaza ny filohan’ny antoko […]

Depiote Rajerison Antoine: “Aleo handeha fa aza ahemotra ny fifidianana”

“Mbola miteny izahay ary mangataka hoe alefaso ny fifidianana filoham-pokontany, ary aleo handeha ny fifidianana ben’ny Tanàna fa aza ahemotra. Tsy tokony hahemotra intsony io, fa tokony hapetraka sy halamina izay rehetra misy olana”. Izay ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny tsy miankina Fivoi, Randriamampianina Rajeri­son Antoine, […]

Fitondran-tena

  Hanao ahoana ihany ity hoe sosialim-bahoaka? Na ny fiainam-bahoaka, ny maha olona… Iray amin’ireo andry telo iankinan’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-pitondrana izao izany. Ho hita eo ny atao sy izay ho vita amin’ny fanamby sy fampanantenana. Tsy maintsy mandroso amin’ny fanatanterahana asa. Mbamin’ny hoe midina ifotony, mamaha olana, misy vokatra […]

Fitsarana : hamoraina ny fahazoan’ny kandidà izay taratasy ilainy

Kandidà 9 manerana ny kaominina 1697 no efa nametraka taratasy filatsahan-kofidina hatreto, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Ceni. Anisan’ny miteraka resabe ny fahasarotan’ny fikarakarana sy ny fakana ny antotan-taratasy ilaina amin’izany eny anivon’ireo biraom-panjakana manome izany. Tena navahina ho an’ireo mpirotsa-kofidina: napetraka sy milaza manokana izy ireo hoe mangataka […]

TSELATRA

Renim-pianakaviana, mpandeha, iray tao anaty taksiborosy mampitohy an’Antsohihy sy Antananarivo, maty tampoka azon’ny aretina, teny Ankazobe,  ny 13 septambra teo. Nanainga tany Antsohihy ny 12 septambra tamin’ny 1 ora tolakandro io taksiborosy io. Lavon’ny zandary tao Ambatoharanana ny dahalo mpangalatra omby tao amin’ny distrikan’i Betafo, afakomaly. Naharay fampahafantarana ny zandary […]