Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

“Taste of The Sun”, horonantsary fanadihadiana voafidy handray anjara amin’ny “Sotambe Zambia International Film Festival” hotontosaina any Lusaka, Zambia, ny 20 hatramin’ny 27 septambra. Notontosain’i Ary-Misa Rakotobe izy ity, izay mifototra amin’ny fiompiana osy any Androy. Handeha ihany koa mandritra ny “International Heritalge Filma Festival” any Portugal ity horonantsary ity. […]

“Festival Triatria” : hanasa ireo namany any Antalaha i Big MJ

Nahoana moa no tsy manana “Festival” koa Antalaha? Fanontaniana tao an-tsain’i Big Mj efa ela io, izay nataony ho tanjona. “Efa nandramako voalohany izy io, taona vitsivitsy lasa izay. Natao maimaimpoana teny amorontsiraka. Ampy nandinihina ny hanatsarana azy izay, ka tonga ny fotoana hanamasahana hetsika ara-kolontsaina ao Antalaha, izay tanànako”, […]

«Vakoka sy boky» : nasongadina Ambatomanga

Niangarana, satria nandray ny «Vakoka sy boky» ny tanànan’Ambatomanga. Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tany amin’ity kaominina anisan’ny manan-tantara eto Imerina ity, ny hetsika nokarakarain’ny «Opération Bokiko». Tsotra ny antony: miresaka ny tanànan’Ambatomanga ilay boky nosoratan’i Michèle Rakotoson, izay nahazo ny «Prix POLA» tamin’ny taon-dasa. Izy rahateo no filoham-boninahitry ny […]

«festival du rire Jôkôsô»: samy afapo ny fianakaviamben’ny hatsikana

Mivoatra ary miha matihanina hatrany ny hetsika « festival du rire Jôkôsô ». Taratra izany nandritra ny fampisehoana namaranana ny hetsika, omaly. Nanome ny tsara indrindra avy aminy ny mpandray anjara. Tontosa omaly, teny amin’ ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana nanakatonana ny «festival du rire Jôkôsô», andiany fahefatra. Malagasy mpanao […]

Fiainana andavanandro: mitombo isa ny tsy an’asa

Olana iray lehibe eto amin’ny Nosy, maneran-tany mi­hi­tsy aza, ny fi­tomboan’ny tsy fananana asa eo amin’ny tanora, na tsy ampy fahaizana na nahavita fianarana. Azo antoka fa miakatra ny tarehimarika, raha ny fahitana ny olana amin’izao fotoana, eto an-toerana. Tarehimarika ofisialy (2022), farany, navoakan’ny Instat (Ivon­toe­rana momba ny antontanisa), manambara […]