Notolorana fitaovam-pianarana sy tohana ara-bola ireo mpianatra sangany tamin’ny fanadinana CEPE sy BEPC farany teo tany amin’ny faritra Menabe, ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Mahabo. Natao ny hetsika mba ho fankasitrahana feno tamin’ny ezaka nataon’izy ireo nandritra ny fotoam-panalana fanadinana. Hampirisihina ihany koa ireo ankizy hanala ny fanadinana amin’ity taom-pianarana vaovao ity […]
Auteur/autrice : Adnews
ANTANANARIVO RENIVOHITRA: laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fitaterana
Iankinan’ny fiainan’ny mponin’Antananarivo ny fitaterana sy ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe. Mafy ny fitohanana, miteraka fahatarana ho an’ny mpianatra sy ho an’ny mpiasa. Mijery vahaolana ireo tomponandraikitra. Nihaona ary nidinika momba ny fanatsarana tsy maintsy hatao amin’ny fitaterana eto Antananarivo ny PDS Ramanantsoa Harilala sy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana […]
TARATRY ny KANTO
Mahery – Rija – Luk, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, ny fiarahana amin’izy telo mirahalahy samy tompon’ny feo ireto. Raha misy ny andrasan’ireo mpamonjy “cabaret” ao amin’ity toerana ity, anisan’ny voalohany ity fiarahana ity. Mitety hira sy vanim-potoana maro izy ireo, ankoatra […]
« Angaredona Mozika Festival »: hatao ho fanomezam-boninahitra an’i Fanaiky
« Rehefa nifampiresaka tamin’ny vady aman-janany sy nahazo tsodrano tamin’ny fianakaviana, nanapa-kevitra ny Talenta Production sy ny ekipa rehetra fa hatao ho hetsika fanomezam-boninahitra sy fankasitrahana an’i Fanaiky ny « Angaredona Mozika Festival » andiany faha-18 amin’ity », hoy ny fanambarana nataon-dRajery. Anisan’ny tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ity hetsika goavana ho an’ny mozika miaina […]
Hakanto Contemporary: seho ara-javakanto amin’ny endriny vaovao no ho hita eny an-toerana
Ny 14 septambra 2024 hatramin’ny 16 marsa 2025 no ahitana ny fampirantiana ireo zavakanto mandravaka ny “Saison inaugurale Histoire de famille”. Fiaraha-miasa avy amina mpahay kanto maro samihafa no hahatanteraka izao hetsika izao. Tontosa omaly, teny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny tafa ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny mahakasika ny […]




