Auteur/autrice : Adnews

Mila fanarenana: anarana sisa ny maha Malagasy

Efa zary ranomasina ilomanosan’ny tanora ankehitriny ny tsy fahalalana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Kianja filalaovan’izy ireo ny fanindraindrana ny an’ny hafa. Tonga akanjo fitafin’izy ireny ka tsy maintsy isalorana isan’andro ny fisandohana ny kolontsaina vahiny. Ireo vahiny ireo indray no manao tsiombialoha mikaroka momba ny famadihana, famorana, […]

“Slam Poetry Individual Contest”: hisy fifaninanana hatao rahampitso

Tanterahina ny 14 septambra 2024, eny amin’ny Cerc­le Germano- Malagasy (CGM) Analakely, ny atrikasa sy fifaninanana “Slam poésie”. Hetsika karakarain’ny Mada­gaslam Section Tanà (MST), miaraka amin’ny avy eo anivon’ny CGM, izay miantsehitra amin’ny fampiroboroboana ny zavakanto tsy ankanavaka. Misokatra ho an’ny mpiangaly Slam rehetra ny hetsika, indrindra ireo vao misandratra […]

Mba tsy hanara-davahana: Ilaina ny mamorona « Androm-pirenena »

Be loatra ny fankalazana « Andro iraisam-pirenena » ataon’ny firenena marefo. Ny ankamaroany, famendrofendroana. Tsy mahavoasazy ny mamorona ny « Androm-pirenena ». Io rahateo no filan’ny firenena tahaka an’i Madagasikara… Noho izany, tokony hatao ! Saika rakotra « Andro iraisam-pirenena » ny fanisanandro! Izay tsy misy, hamoronana. Ny efa eo, hatevenina ny fom­ba fankalazana azy. Toy izany […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina any Antsirabe, ny 27 hatramin’ny 29 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, lalaovin’olona telo, lahy sy vavy. Araka ny vaovao voaray, hiatrika ny fifanintsanan’ny Nosy izay klioba mahazo ny laharana voalohany amin’izany. Hifanandrina amin’ny ekipan’Atsinanana Rugby, ny alahady ho avy izao, etsy […]

Volley-ball-“Open 2è division”: hiditra amin’ny manasa-dalana ny lehilahy

Hotanterahina, anio, ny manasa-dalana, sokajy lehilahy, amin’ny fifaninanana “open 2è division Analaman­ga”, taranja volley-ball. Fifa­ninanana karakarain’ny Fede­rasiona malagasin’ny volley-ball, nanoloana ilay fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, saika ho natao tany Alaotra Mangoro. Hifandona, eo amin’ny sokajy lehilahy, ny VBCD sy ny CSA, ankilany. Ny ASI sy ny AVBC kosa, andaniny, ho […]