Mirongatra ny haintrano amin’ny tanàna maro manerana ny Nosy. Maro ireo lasibatra sy rava fananana anatin’ny indray mipi-maso. Lasa lavenona ny fihariana tanatin’ny taona maro. Foana avokoa ny an-tanana. Matetika nefa, tsy manana tahiry na antoka ny lasibatra. Fadiranovana anaty vanim-potoan’ny maitsoahitra. Izay indrindra no olana ho an-dRamalagasy. Tsy […]
Auteur/autrice : Adnews
Tetikasa Agoa : manohana ny Malagasy ny Amerikanina
Tetikasa anisan’ny mitondra vokatsoa ho an’ny Malagasy ny Agoa. Anatin’ny fandrafetana ny drafitra momba izany ny fanjakana, ankehitriny. “Nametraka drafitra i Madagasikara ahazoana manatsara ny fanondranantsika entana mankany amin’ny Agoa. Ankehitriny, noho ny fifandraisana tsara dia tsara eo amin’i Madagasikara sy i Etazonia dia misitraka fanampiana sy fanohanana ara-teknika avy […]
TSELATRA
Voasambotry ny polisy tao Ihosy ireo mpamaky trano (ahitana vehivavy iray) tompon’antoka tamin’ny famakiana trano tao Amboniavaratra, afakomaly. Hita ny toerana fanangonan’izy ireo ny entana halatra ka nanao bemidina tampoka ny polisy. Mbola hita tao amin’izy ireo avokoa ny entana halatra rehetra. Namoy ny ainy ireo ankizy roa vavy raha […]
Ambodimita : Sekoly nirodana tampoka, ankizy 13 naratra
Nitrangana firodanana tampoka ny trano sekoly eny Ambodimita Ampandriambehivavy, omaly maraina tamin’ ny 10 ora. Sekoly iray tsy miankina amin’ny fanjakana ity nirodana tampoka ity. Vokany, ankizy 13 indray naratra tamin’ izany ka dimy amin’izy ireo no voalaza fa naratra mafy, araka ny tatitra voaray teo anivon’ny Sampana mpamonjy voina. […]
Halatra omby : lavon’ny tifitra i Leklody
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny dahalo iray mpangalatra omby tao amin’ny tanànan’ i Betsiriotra, fokontany Ambahimanarina, kaominina ambanivohitra Fidirana, ny 9 septambra teo. Nangalatra omby tao amin’io fokontany io ny dahalo telo lahy. Nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona. Naharay fampahafantarana, nanidy ny kizo ahina handosiran’ireo olon-dratsy ny zandary avy […]




