Auteur/autrice : Adnews

Karate-Afrika: Afa-panadinana ireo Malagasy mpitsara 3 vavy

Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny delegasiona malagasy, miatrika ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika U21, any Tunisie, ny fiatrehan’ireo Malagasy mpitsara, ny fanadinana amin’ny maha mpitsara azy ireo. 3 mirahavavy izy ireo no niatrika izany, izay samy afaka daholo. Anisan’izany, ny Sensei Raboanarijaona Voahirana, tepana mainty, 4e Dan, no sady filoha […]

DAKA AN-JORONY : Ny mitandrim-pamindra tsy mba lavo

Ilaina hatrany ny fahamailoana amin’ny fiainana. Tsy mifanalavitra amin’izany ny amin’ny fanatanjahantena. Mbola mavesatra amin’ny mpitia baolina kitra rehetra na ny teto Madagasikara na ny tany ampitan-dranomasina, indrindra ho an’ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar, ny segondra farany naharesy azy ireo, nanoloana ny Voromaherin’i Carthage an’i Tunisie, farany teo. Ny mahery […]

“Olympiades d’Echecs”: handray anjara i Madagasikara

Hotanterahina any Budapest, Hongrie, ny 10 hatramin’ny 23 septambra izao, ny andiany faha-45 amin’ny “Olympiades d’Echecs”. Handray anjara amin’izany i Madagasikara. Atleta malagasy 9 mianadahy (5 lahy sy 4 vavy) no hihazo an’i Budapest hiatrika ny «Olympiades d’Echecs», mandritra ny tapa-bolana. Avy eto an-toerana avokoa ny 8 amin’izy ireo, raha […]

Sombim-baovao

Anatin’ny fiomanana tanteraka amin’ny fifaninanana “Africa 3×3 Cup”, taranja basikety, hotanterahina eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao, ny ekipa malagasy, lahy sy vavy. Fifaninanana hatao any amin’ny volana novambra , araka ny fandaharam-potoanan’ny Fiba Afrika. Ho fantatra tsy ho ela kosa izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Nitohy tany amin’ny faritra ny […]

Padel – « Island Cup »: Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy, lehilahy

Notontosaina afakomaly, teny amin’ny Soavina Atmosphere, ny lalao famaranana, fifaninanan’ny Nosy, “Island Padel Cup”, taranja tenisy anaty efitrano, lahy sy vavy. Norombahin’ireo Mala­gasy, lehilahy, mpilalao ny amboara tamin’izany, raha nifanandrina tamin’ny ekipa voafantina avy any La Réunion izy ireo. Nionona tamin’ny laharana faharoa kosa ny vehivavy mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenen’i […]