Auteur/autrice : Adnews

Rija Ramanantoanina : niavaka ny 35 taona an-tsehatra

Fandaharan-kira, nanome fahafaham-po ireo mpitia Rija Ramanantoanina. Ny tolotra nomena teny an-tsehatra, nanana endrika isan-karazany. Nahitana an’i Rija Ramanantoanina sy ireo mpanaraka azy amin’ny zavamaneno sy feo. Tao koa ny fampiaraham-peony tamin’ny antoko mpihira APL. Ny mpitendry zavamaneno, ireo andrarezina sy ny tanora manana ny maha izy azy no tafiaraka […]

Faradoboka faha-35 taonan’ny tarika Rebika: nanjakan’ny fifankatiavana ny tsiahy an-dRampal

Nafana ny fiarahana teo amin’ny tarika Rebika sy ny mpijery tetsy Antsahamanitra. Nifamatotra akaiky ireo mpijery sy ny teny an-tsehatra… Niboiboika ny fifankatiavana teo amin’ny roa tonta… Feno Antsahamanitra! Na­nakoako teny an-toerana, omaly, nandritra ny fampisehoana nanakatonana ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny tarika Rebika, ireo hira nahafantarana sy nampalaza ity tarika […]

Fanatanjahantena: fikoloam-bika sy fanenana vatana ny tena antony hanaovan’ny vehivavy azy

Tsara ny mikotrana sy manao fanatanjahantena. Tsy natokana ho an’ny lehilahy irery iha­ny fa efa maro koa ny vehivavy mi­ko­­trana. Mila eza­ka sy fikirizana ary mahafoy fotoana hatrany rehefa te hanana vokatra tsa­­ra. Hanatsarana bika, hanenana ary hanangezana vatana ny tena mandrisika ny ve­hi­vavy hanao iza­ny. Miha maro ny vehivavy […]

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny kandidà ho ben’ny Tanàna, Antananarivo, Rinah Rakotomanga, fa vonona sy miasa ny ekipany ka tsy misy atahorana ireo mpifaninana aminy. “Efa ela isika no naniry hilatsaka ben’ny Tanànan’Antananarivo saingy izao vao tanteraka”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy miaraka amin’ny fitondrana amin’izao intsony ny tenany nefa tsy mpanohitra ihany koa. […]

Fanahimanana Tiaray: “Marin-toerana matoa voafidy hitarika ny Sadc”

“Matoa ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc nanao tolo-kevitra hoe i Mada­gasikara no hitarika ny Sadc, hita hoe firenena efa manana fahamarinan-toerana politika izany i Madagasikara”, hoy ny fanazavan’ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray, ny amin’ny handraisan’i Madagasi­kara ny fitarihana ny Sadc sy fihaonana an-tampony amin’izany amin’ny 2025. Raha firenena mikorontana, […]