Auteur/autrice : Adnews

Minisitry ny Fitsarana : “Hiady amin’ny kolikoly aho “

“Mandray andraikitra ny tsirairay avy, ary manomboka amin’ny tenako no hanome maodely anareo. Azonareo tsikeraina sy tsikafonina ny lasako na ny vadiko. Sahiko ny manambara an’izany ampahibemaso. Madio izahay niditra tato amin’ny fitsarana; rehefa mivoaka ato izahay: miezaka ho madio mandrakariva”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana vaovao, Rakotomandimby Benjamin […]

D2-Nasionaly : tsara fanombohana ny FC Theo sy ny Jet Kintana

Notanterahina omaly, tany Ambatondrazaka sy tany Ambositra, ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “World Cola Ligue des Champions”, D2 nasionaly. Nisongadina tanteraka tamin’ity andro voalohany ity ny ekipan’ny FC Theo Sava sy ny Jet Kintana Itasy. Araka ny vaovao voaray, lavon’ny FC Theo, tamin’ny isa […]

Lalam-pirenena : efa vonona ny famatsiam-bola

Vita, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Asa vaventy teo aloha, ny Kly Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, sy ny minisitra vaovao, Rafidison Richard Théodore. Ho an’ity farany, laharam-pahamehana ny hampihodinana ny toekarena, ka asa maika hatao ny fanarenana ny lalam-pirenena RN2, RN7 ary RN4. «  Efa eo am-pelantanana ny famatsiam-bola […]

Ambatovy: Nampiaka-peo ny Fisemare amin’ ny fampiatoana asa

Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny trano fisakafoana iray, any Morafeno ireo mpitarika ny vondron’ny mpiasa eo anivon’ny sendikan’ny Fise­mare. Nitarika izany ny sekretera jeneraly nasionaly avy eto Antananarivo, Mananandro, sy ny sekretera jeneraly ao anivon’ny faritra Antsinanana, Dany. Anton’ny fihaonana ny nampiatoana ny asa famokarana sy ny […]