Auteur/autrice : Adnews

Minisitry ny Mponina: Hijery manokana ireo olona marefo sy ny zokiolona eto amin’ny firenena

Tontosa, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitra mpisolo toerana sy ny minisitra vaovao. Laharam-pahamehan’ny minisitra vaovao ny hijereny manokana ny olona marefo sy ny zokiolona. Nanatanteraka fifamindram-pahefana sy fitantanana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina mpisolo toerana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, sy ny minisitra vaovao, Razafinjato Aurélie, omaly, tetsy Ambohijatovo. […]

TARATRY ny KANTO

Nigadona an-tanindrazana omaly, i Lita, mpikambana eo anivon’ny tarika Mage 4, monina any ampitan-dranomasina. Hiatrika ny fampisehoan’ny tarika izy, rahampitso. Araka izany, izy valo mirahalahy, mpikambana eo anivon’ny tarika no hiaraka hanatontosa ny fampisehoana “Hatramin’ny farany” hatao ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. Famaranana ny faha-35 taon’ny tarika Re­bika. […]

Fifaninanana miantsa ; 25 ireo hifanintsana, anio

« Andeha isika hamorona olona tahaka antsika ». Teny filamatra nofidian’ny Faribo­lana Sandratra hitondrana ilay « Sandran-kalo zara fanahy » fifaninanana miantsa tononkalo karakarain-dry zareo. Fan­tatra fa 25 no hiatrika ny dingan’ny fifanintsanana anio tolakandro, etsy amin’ny Cerc­le Germano-Malagasy, toha­tohabaton’Antaninarenina. Marihi­na fa tononkalo na sanganasan’ny mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra no antsain’ireto mpifaninana ireto. […]

« Festival Temps Fort Danse »: Tanjona ny hamondrona ho iray ny dihy

Ankoatra ny maha fanatanjahantena azy, anisan’ny zavakanto feno ihany koa ny dihy. Sady manabe mantsy izy no mampiala voly sy mikolo ny saina. Tanterahina ny 28 aogositra 2024 hatramin’ny 14 septambra 2024, ny « Festival Temps Fort Dan­se », andiany faharoa. Ny Institut français de Madagas­car no mikarakara ny hetsika, tanterahina amin’ny […]