Mitohy sy mivoatra hatrany. Nampahafantarina, omaly 13 jolay, teny amin’ny Motel Anosy, ny gazety boky «Akon’ny Antenimierampirenena» laharana faha-17. Fiaraha-miasan’ny Antenimierampirenena sy ny Pnud ny nahatontosana izany. Raha tsiahivina, nanomboka ny taona 1982 no efa nisy ity gazety boky vokarin’ny mpiasan’ny Antenimierampirenena ity. Tenim-pirenena telo no hita ao anatiny : […]
Auteur/autrice : Adnews
Filoha teo aloha, Ravalomanana : « Tsy ara-dalàna ny anto-bola 200 tapitrisa Ar »
“Tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny fanovana ny anto-bolan’ireo kandidà ho lasa 200 tapitrisa Ar”, hoy ny filoha teo aloha, Ravalomanana, teny Faravohitra, afakomaly. Raha ny And. 47 amin’ny lalàmpanorenana, fifidianana mialoha ny fotoana izao fifidianana hatao izao. Noho izany, araka ny And. 9 ao amin’ny lalàna fehizoro lah. 2018-009 mifehy […]
Toamasina : mihantsy ny mpitandro filaminana ireo jiolahy
Mirongatra indray ny halatra moto ao Toamasina. Raim-pianakaviana iray naratra mafy voatifitra teny ambony moto. Tsy afa-nanoatra intsony izy ka nanome mora foana ny fananany… Fahasahiana tsotra izao ny an’ireo jiolahy ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Ny talata 11 jolay 2023 lasa teo, jiolahy roa indray lavon’ny balan’ny polisin’ny Fip […]
Fitaizana zokiolona : mandositra adidy ny zanaka noho ny fahasahiranana
Manomboka mandefa ny ray aman-dreny eny amin’ny toerana mitaiza zokiolona ny Malagasy. Tsy kolontsaina saingy noho ny fahasahirana no voalaza fa mahatonga izany. Manomboka eo amin’ny faha-65 taonany. Azo lazaina ho zokiolona ny olona iray rehefa mila fanampiana sy tohana eo amin’ny fianakaviany sy ny fiarahamonina, raha ny nambaran’ny fikambanana […]
FANTINA sy FINTINA
Hanao fitsidihana ifotony any amin’ny Nosy Sainte Marie, faritra Analanjirofo, ny filohan’ny Repoblika, manomboka anio ka hatramin’ny rahampitso. Nambaran’ny fampitam-baovao eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika fa hitokana fotodrafitrasa maro ny tenany. Tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany, mampalaza ity Nosy ity, izany. Hitafa amin’ny vahoaka malagasy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, […]