Auteur/autrice : Adnews

Ny vokatra petits pois: miantso hampiakarana vidim-bokatra ny tantsaha amin’ny fotoana fahamorany

Fotoana mampidina ny vidim-bokatra petits pois eny an-tsena ny va­nim-po­toana tahaka izao. Mitobaka ny vokatra, ka izay no anton’izany, hoy ireo tantsaha. Ma­ha­faty antoka nefa ny vi­dim-bokatra ka mi­an­tso ny hampiakarana izany ireo tantsaha. Tafiditra ao anatin’ny le­gioma maitso ny “petits pois” na ny pitipoà. Fia­nakaviana iray ao anatin’ny lentilles, […]

FANTINA sy FINTINA

Mitohy hatrany. Mendrika fanamaivanana ny fidiran’ny mpianatra ny hetsika tanterahin’ny vehivavy Malagasy miara-miainga (VMMM). Anisan’ny nisitraka izany ireo ray aman-dreny sy mpianatra eny anivon’ny kaominina Ambohimanambola sy ny manodidina, omaly. Nambaran’ny tomponandraikitra mpitantana ny fikambanana fa hetsika fanao isan-taona ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary tahaka izao. Tanterahina amin’ny alalan’ny […]

Filoha Rajoelina Andry : nanatrika ny Kongresy Eokaristika Nasionaly

Notanterahina omaly, tao amin’ny Kianja manara-penitra Antsiranana, « Kianjasoa», ny lanonana sy sorona masina lehibe fanokafana ny Kongresy Eokaristika Nasio­naly – KEN. Anisany niatrika izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny vadiny. Mpino katolika maro be, niaraka tamin’ireo eveka maro, pretra ary relijiozy no niatrika izany. Hijoroana vavolombelon’ny fitiavana tsy […]

Misikim-ponitra

  Notanterahina androany avokoa ny ankabeazan’ny fifamindram-pahefana teo amin’ireo minisitra vaovao. Porofo izany fa miasa avy hatrany izy ireo. Manafaingana fomba fiasa ahazoana vokatra araka ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Andry ny ho avy politikan-dRajoelina izany. Ny ekipany no miantoka ny hanohizany ny dia aorian’izao taom-piasana farany izao. Asa […]

Firotsahan-kofidina ben’ny Tanàna: tsy maintsy manana solontena (mandataire) ny kandidà

Nampahatsiahy ireo fepetra ho amin’ny firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna ny eo anivon’ny Ceni, omaly. Maromaro izany, araka ny voalazan’ny lalàna. Anisan’ireo fepetra takin’ny didy aman-dalàna amin’ireo hilatsaka hofidina amin’ny fifidianana eny anivon’ny kaominina ny tsy maintsy hananany solontena nomem-pahefana na ilay antsoina hoe “Mandataire”. “Ta­fiditra ao anatin’izany […]