Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

Faha-100 taonan’i Clarisse Ratsifandriha­manana. Hisy ny antsa tononkalo, izay hatao anio amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokimpirenena Anosy. Ireo aingam-panahin’ity mpanoratra ity, izay tsy mbola nivoaka, tsy mbola fandre no antsain’ireo mpikambana ao amin’ny Havatsa Upem mandritra izany. Nodimandry i Nicolas Star, mpanakanto zanak’i Fenoarivo Atsinanana, araka […]

T.Love andiany faharoa : Lasan’i Nasandratra sy i Harinala ny amboara

Tafiditra amin’ny andiany faharoa ny fifaninanana « T.Love », hitiliana izay manan-talenta amin’ny filalaovana tantara faheno amin’ny Radio (Tantara an’onjampeo). Lasan’i Nasan­dratra sy i Harinala ny amboara tamin’ity hetsika karakarain’ny Tapaporohana Production ity. Tontosa ny 18 avrily teo, tao amin’ny JB Amboditsiry ny fanolorana ny fanomezana avy amin’ny JB Madagascar. « Chèque Cadeau […]

VAOVAO TAMBATRA

Napetraka omaly teny Ambohijanamasoan­dro ilay vata mpanova herinaratra, manana tanjaka 160 KVA. Nametraka izany avy hatrany ireo teknisianina mba hamerenana ny famatsiana eny amin’ny faritra Ampitatafika, Faliarivo, Ambohimamory, Ambohijana­ma­soandro ary Vinany. Tsiahivina fa may ny vata mpanova herinaratra ka nampiato ny famatsiana herinaratra teny an-toerana. Hotanterahina ny 11-15 mey any […]

CNTEMAD Discovery Days : Sehatra hidirana amin’ny matihanina

Hiditra amin’ny tontolon’ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra ny CNTEMAD amin’ny alalan’ny Université virtuelle public. “Hiova tsikelikely ny fampianarana mba hanamora ny fahalalana sy hisitrahan’ny mpianatra dip­laoma. Tanjona ny hamoaka mpianatra hahay hamorona asa”, hoy ny tale nasionalin’ny CNTEMAD, ny Pr Rakotoma­henina Pierre Benjamin, oma­ly, nandritra ny fampahafantarana ny […]