Auteur/autrice : Adnews

Famatsian-tsolika : Tsy ampy ny lasantsy any avaratry ny Nosy

Fantatra fa ahitana fikorontanana ny famatsiana lasantsy SP95, amin’izao fotoana izao any amin’ny faritra vitsivitsy. Araka ny fampahafantarana avy amin’ny Ofisy Malagasy misahana ny akoranafo (OMH), voakasik’izany, ny any amin’ny tapany avaratra andrefan’ny Nosy, toa an’i Mahajanga, Antsohihy, Antsiranana ary Nosy Be. Antony nahatonga izany, ny fahataran’ny sambo « caboteur » mpitatitra […]

Orinasa Bravura : Fiaramanidina telo hitsirihina ny harena an-kibon’ny tany

Hofantarina avy eny amin’ny habakabaka amin’ny alalan’ny sidina ataon’ny fiaramanidina ny toerana ahitana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Nanolotra izany ny fanjakana malagasy ny orinasa afrikanina Bravura. Natao sonia ny volana desambra teo ny fifanarahana fiaraha-miasa eto amin’i Madagasikara sy ny orinasa Bravura. Nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Patrick […]

FANTINA sy FINTINA

Miantso ireo fikambanana Gen Z mijoro ara-dalàna ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, hiaraka hivory eny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo amin’ny zoma 24 avrily 2026 ho avy izao. Tafiditra amin’ny ho fanohizana ny dingana efa natao izany, araka ny fampiantsoana eo anivon’ny Primatiora. Efa nisy fihaonana rahateo ny roa tonta. Naneho hevitra ny […]

PDS Antananarivo Renivohitra: “Laharam-pahamehana ny fanadiovana ny tanàna”

“Betsaka ireo lalana feno lavadavaka, mbola maro ireo toerana misy fako. Ny fanadiovana aloha no laharam-pahamehana, alamina faran’izay azo atao”. Io ny nambaran’ny filohan’ny delegasionina ma­no­kan’ny kaominina Antana­na­rivo Renivohitra (CUA), Ralambomanana Feno, tamin’ny mpanao gazety taorian’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny ben’ny Tanàna mpisolo toerana, Rajonson Za­ratiana Finaritra, teny amin’­ny […]

Varoboba sy mangarahara

  Nahoraka sy nampametra-panontanina ny fahitana ny fiaraminidina manokana maromaro tany Toliara. Tena hoe niaka-danja ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Nampito­lagaga ny hatsarany sy ny haavo lentan’ireto fitaovam-pitaterana. Mainka mampiteny ny moana ihany koa ny firodorodon’ny mpikambana tao amin’ny governemanta nakany an-toerana. Efa nampiaka-peo ny firaisamonim-pirenena amin’ny filibalibana. Noho ny tsy fisian’ny […]