Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Rovitra ny fen’ny mpitondra moto iray vokatry ny fandehana mafy tao amin’ny RN6, tao Ambendrana, distrikan’Antsohihy, omaly. Nidona tamin’ny vodin’ny kamiao lehibe izy. Nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly. Nodidin’ny raibeny tamin’ny antsy ny sofina sy ny tongotry ny ankizilahy iray rehefa tratrany nangalatra coco, tao Sambava, omaly. Tsy niera tamin’ny […]

Fanafihana : roa lahy lehiben’ny dahalo voasambotra

Dahalo roa lahy tra-tehaky ny zandarimaria miasa ao Evato, anatin’ny kaominina Vohilengo, distrikan’i Fara­fangana, ny 13 aogositra teo. Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanànan’i Be­taikaomby, ny alin’ny 19 jolay tamin’ny 11 ora alina. Ni­tondra fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Nanao ramatahora ny tompon-trano, nandratra olona tao amin’ny tokantrano lasibatra izy […]

Nifandona tamin’ny 4×4 : mpitondra moto maty tsy tra-drano

Namoy ny ainy, vokatry ny ratra mafy nahazo azy, ny mpitondra moto iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Analafasika, kaominina Agnavoho, distrikan’Ampanihy-Andrefana, afakomaly. Nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana iray tamin’io lalana io ity mpitondra moto ity. Nivoa-dra ka nikiry nitondra azy teny anivon’ny toeram-pitsaboana ny nanatri-maso. Tsy tana minitra vitsy taorian’ny loza […]

Fifampitifirana mahery vaika: zandary naratra, dahalo iray maty

Lasibatry ny asan-dahalo tato ho ato ny mpitandro filaminana mihatrana an-kianja. Naratra mafy voan’ny tifitry ny olon-dratsy ny zandary iray tao amin’ny distrikan’i Marovoay, afakomaly. Naratra voatifitry ny da­halo nandritra ny fifandonana ny zandary GC1 iray tao Ambalihabe, fokontany Androtra, kaominina Ankaraobato, distrikan’i Marovoay, afakomaly. Nanao fanarahan-dia ny dahalo ikoizana, […]