Auteur/autrice : Adnews

Fampandrosoana ny toekarena : voafaritra ireo paikady fifanakalozana ara-barotra

Hotohizana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, ny fanatsarana ny lalàna samihafa mifehy ny varotra avy amin’ ny minisitera isan-tsokajiny. Ireo no nivoitra nandritra ny fakan-kevitra handrafetana ny paikady nasionaly momba ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra eto Madagasikara. Tanjona, araka izany, ny hampihena ny fotoana sy ny vola lany amin’ny […]

Sandam-bola : mananika ny 5 000Ar ny euro

Tsy mitsaha-mitotongana ny sandam-bola malagasy. Manafosafo ny 5 000Ar ny euro iray amin’izao. Omaly, nisanda 4 987,33 Ar ny euro iray, ary 4 995, 13Ar izany ny alarobia teo. Nisanda 4 575,39Ar kosa ny dolara, omaly. Tsy mifandanja ny fanondranana sy ny fanafaran’entana ataon’i Madagasikara. Betsaka ny entana fototra hafarantsika, toy ireo filana andavanandro […]

Fanjifana : nidangana ny vidim-piainana nandritra ny enim-bolana voalohany

Niakatra 7,2% ny tahan’ny sondrobidim-piainana (inflation) eto Madagasikara, ny volana jona teo, raha oharina ny tamin’ny volana janoary. Niakatra 5,2% ny vidin’ireo entana nafarana teo anelanelan’ny volana jona 2023 sy ny volana jona 2024. Tafakatra 7,2% ny tahan’ ny sondrobidim-piainana nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona 2024 ity, raha 7,4% […]

SOMBIM-BAOVAO

Hatao ao amin’ny Kianja Côte d’or Maurice, rahampitso, ny lalao mandroso hikatrohan’ny Disciples FC sy ny Orlando Pirates Afrika Atsimo. Fihaonana savaranonando hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Efa any an-toerana ny ekipa malagasy ary vonona ny hiatrika izany. Miandry ny famoahan’ny Me Rôrô, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ny lisitry […]