Auteur/autrice : Adnews

Mifarana anio ny « Herinandron’ny kabary » : «Tratra ny tanjona», hoy Randimbiarison Herizo

Faranana anio, ny « Heri­nandron’ny kabary » na ilay hetsika lehibe tanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma) hoenti-mampivondrona sy manatevim-pahalalana. « Na teo aza ny fiatrehan’ny rehetra ny andavanandrom-piainany. Ho an’ity andiany faha-18 notanterahina teo anivon’ny faritany Fi.Mpi.Ma Antananarivo ity, tratra ny tanjona. Nizotra tsara ny fanatanterahana ny fandaminana napetraka », hoy ny filoha […]

« Waka-waka festival » : hiditra amin’ny andiany fahatelo ny hetsika

Hotanterahina ny 5 hatramin’ny 8 desambra 2024, any Sambava, ny « Waka- Waka Festival”, andiany fahatelo. Hetsika ara-javakanto sy ara-panatanjahantena atao ao amin’ny tanànan’i Sambava izy ity. Ankoatra ny fanandratana ireo tanora misehatra amin’ny fanatanjahantena sy zavakanto amin’iny faritra iny, tanjona ihany koa ny fitondrana vahaolana amin’ny sosialim-bahoaka ao an-toerana. Hisy […]

Fomba malagasy: izay vao tena lehilahy ny zaza rehefa vita didimpoitra

Fomban-drazana nentin’ny mpanjaka Andriamanelo teto Madagasikara ny famorana. Ani­san’ ny mampiseho fa tena lehilahy sy ny maha izy azy ny zazalahy kely ny fanaovana azy io. Tanterahana re­­hefa vanim-po­toana ririnina ny didimpoitra eto Ma­dagasikara. Mba tsy hampanano sarotra ny fa­na­sitranana ny fery. Efa hamarana ny vaninandro ririnina ny eto Madagasikara, […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony hanao ezaka tsaratsara kokoa ny fitondram-panjakana momba ny olan’ny Jirama, araka ny nambaran’ny filohan’ny FFKM, ny pastora Rakotozafy Denis, teny Anosy, ny alarobia lasa teo, ny amin’ny famatsian-jiro sy rano izay mavesatra amin’izao. Be ny fitaovana simba, ny fiharian-karena tsy araka ny ilana azy ary eo koa ny fahavoazana […]