Auteur/autrice : Adnews

Antananarivo Renivohitra : hirotsaka ho ben’ny Tanàna Ravalomanana Marc

“Voaraiko ny fangatahana nataonareo mba hirotsahako hodifina ho ben’ny Tanànan’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra indray. Efa nilaza taminareo aho fa tsy hiamboho adidy. Efa nanome toky anareo aho fa tsy hamela ny vahoaka malagasy irery. Efa nanambara taminareo aho fa hanokana ny andro sisa rehetra hiainako hanarenana ity firenena malalantsika […]

Mila vonjy !

  Mihazakazaka ny fihodin’ny ora sy ny minitra. Tapitra sahady ny fotoana fialantsasatra ho an’ny mpianatra. Herinandro sisa dia hiverina an-dakilasy ny kilonga madinika sy ny zatovo. Ho raikitra indray ny henjikenjika arahin-tosika ho an’ny ray aman-dreny. Fomba fiteny ihany izay! Iaraha-mahalala fa ady goavana tsy nahafahana mandrimandry ny fampidirana […]

Fihaonana an-tampony any Zimbabwe: tanjona ny hitondrana fanatsarana maharitra ho an’ny sehatry ny indostria

Hikaondoha mandritra ny roa andro, hikaro-bahaolana enti-manatsara ny sehatry ny indostria, ireo filoham-pirenena ao anatin’ny Sadc. Antenaina ny hisian’ny fiatraikan’izany ho an’ny sehatry ny indostria eto Madagasikara. Tanterahina anio sy ra­hampitso, ao amin’ny Lapa vaovaon’ny parlemanta Mont Hampden ao Harare, ny fihaonana an-tampony faha-44 ho an’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana ao […]

TSELATRA

Rovitra ny fen’ny mpitondra moto iray vokatry ny fandehana mafy tao amin’ny RN6, tao Ambendrana, distrikan’Antsohihy, omaly. Nidona tamin’ny vodin’ny kamiao lehibe izy. Nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly. Nodidin’ny raibeny tamin’ny antsy ny sofina sy ny tongotry ny ankizilahy iray rehefa tratrany nangalatra coco, tao Sambava, omaly. Tsy niera tamin’ny […]

Fanafihana : roa lahy lehiben’ny dahalo voasambotra

Dahalo roa lahy tra-tehaky ny zandarimaria miasa ao Evato, anatin’ny kaominina Vohilengo, distrikan’i Fara­fangana, ny 13 aogositra teo. Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanànan’i Be­taikaomby, ny alin’ny 19 jolay tamin’ny 11 ora alina. Ni­tondra fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Nanao ramatahora ny tompon-trano, nandratra olona tao amin’ny tokantrano lasibatra izy […]