Auteur/autrice : Adnews

Vaovao tambatra

 Plastika ny 10% ny fako eto Madagasikara, izay mahatratra 68 985 taonina. Natao ny 8 aogositra teo ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fikambanana Fakotory. Tanjona ny hanodinana ny fako plastika, vita amin’ny akora vinyl, ho lasa kitapo fiantsenana ho solon’ny harona plastika.  Simba ny fitaovana fampiakaran-tosika […]

Lalam-pirenena RN7: arahi-maso ny orinasa manarina ny lalana

Nijery ifotony tany Ambositra ny ekipan’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), ny 3 aogositra teo. Nanatanteraka izany ny Fitantanana ny fotodrafitrasa (Dinfra) ao amin’ny minisitera foibe, niaraka tamin’ny Fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Amoron’i Mania. Nojerena ny fivoaran’ny asa efa mandeha amin’ny lalam-pirenena fahafito, RN7, eo amin’ny halaviran-dalana, PK 258, eo […]

Famatsiam-bola Exim Bank: hatsaraina ny tambajotra herinaratra RIA

Misy ny tetikasa goavana, hitaterana herinaratra hanatsarana ny Tambajotra irai­san’Antananarivo (RIA), ho an’ny faritra Analamanga, Vaki­nankaratra ary Itasy. Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasa « Tana Medium Ring » (TMR) ity asa ity, vatsian’ny banky sinoa Exim Bank. Tanjona ny hampitomboana ny tahan’ny mpanjifa misitraka herinaratra, araka ny voasoritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana […]

Karama ambony indrindra: mijanona ho 20 % ny tahan’ny Hetra alaina amin’ny karama (Irsa)

Tsy mitovy avokoa ny hetra alaina amin’ny karaman’ny tsirairay. Mijanona ho 20 % ihany kosa ny tahan’ny Irsa alaina amin’ny ampahan-karama ambony indrindra. Manamafy ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra (DGI) fa mijanona ho 20% ny tahan’ny hetra alaina amin’ny ampahan-karama ambony indrindra taorian’ny filazana niparitaka fa hiakatra ho 25 % […]

Sombim-baovao

Nanadio ny Kianja Barikadimy ao Toamasina avokoa ireo klioba sy olon-tsotra ao an-toerana, omaly. Ity fotodrafitrasa ity izay efa nahitana fahasimbana amin’ny toerana sasany. Nitarika ny hetsika ny ligim-paritra Atsinanana izay nanentana mba hikajiana io kianja io, izay hany mampiavaka ny faritra. Nifarana omaly, ny fisoratana anarana amin’ny Mobil Rally […]