Auteur/autrice : Adnews

FOFIFA: mikatso ny asam-pikarohana rehetra

Mijanona avokoa ny asam-pikarohana momba ny fambolena ataon’ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra (Fofifa) ao anatin’izao fitokonana izao. Misy akona betsaka amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra izay tena miankina amin’ny fikarohana atao ny zava-misy. Ankehitriny, miombom-po sy mitaky ny fametraham-pialan’ny Tale jeneraly ihany koa ireo rantsa-mangaikan’ny Fofifa any amin’ny faritra […]

Minisiteran’ny fambolena: nizara masomboly hiatrehan’ ny tantsaha ny voly avotra

Mitohy ny fizarana kojakojam-pamokarana ho an’ny voly avotra amin’ity taom-pambolena 2024 ity. Anisan’ny nisitraka izany ny tantsaha any Alaotra Mangoro sy Bongolava. Mitohy ny fanohanana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ny tantsaha mahafeno fepetra mahaloa ny 10% ny vidin’ny kojakojam-pamokarana. Voakasik’izany ny entina hiatrehana ny voly avotra […]

Indray mijery

Nidinika niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny BNGRC ireo solontena avy ao amin’ny Unicef ny herinandro lasa teo, tetsy amin’ny Foiben’ny BNGRC. Miompana amin’ny dingana arahina amin’ny fanafarana sy famoahana ireo kojakoja maha olona eny anivon’ny fadintseranana izany. Tsy hisy tranga miavaka mety hanova ny firafitry ny toetr’andro eto Madagasikara, amin’ity herinandro […]

« Projet TQS» Tanora malagasy telo hisitraka ny tetikasa

Tontosa omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny lanonana tsotra nanehoana ireo tanora andiany voalohany hisitraka ny tetikasa tolotrasa ho an’ny tanora mpiasa manana fahaiza-manao manokana na « Projet de recrutement de jeunes travailleurs qualifiés spécialisés » (TQS). Niatrika izany i Kaori Tanaka, solontena maharitry ny Jica eto amin­tsika sy ireo tale isan-tsokajiny […]

Fanavahana sy fakana fako: natomboka teny amin’ny fokontany Ampefiloha

Natomboka ny faran’ny he­rinandro teo ny tetikasa andrana ho fanatsarana ny fa­kana sy ny fitanterana ny fako, ao amin’ny fokontany Ampe­filoha. Tafiditra amin’ny tetikasa fanatsarana ny rafi-pitantanana ny fako eto Anta­nana­rivo (Gesda) nizany, izay fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana japonais. Ny volana febroary 2023 no niandoha ny […]