Auteur/autrice : Adnews

Fitsarana bakalorea Hivoaka amin’ity herinandro ity ny tambin-karama andiany voalohany

Mbola ao anatin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea ny mpampianatra amin’izao fotoana izao. Hozaraina tsy ho ela ny tambin-karama ho azy ireo, raha ny fanazavana voaray. «Hozaraina amin’ity herinandro ity ny tambin-karama andiany voalohany ho an’ireo mpampianatra mitsara sy niambina ny fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity », raha ny fanazavana voaray. « Ezahina […]

Banky iraisam-pirenena: mponina 6 tapitrisa mahery hisitraka 205 tapitrisa dolara

Hisitraka tohana mitentina 205 tapitrisa dolara ireo mponina maherin’ny 6 tapitrisa avy eto Madagasikara, kaomoro ary Mozambika amin’ny alalan’ny fandaharanasam-paritra vaovao an’ny Banky iraisam-pirenena manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nanka­toa izany Programme régional pour la préparation aux situations d’urgence et un relèvement inclusif (Repair). Fito andro aorian’ny loza voajanahary dia hisitraka […]

Vonona hanampy an’i Madagasikara ny Tahirim-bola iraisam-pirenena

Samy mahatsapa ny maha sarobidy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-bola ny fitondram-panjakana sy ny avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena. Izany indrindra no anton’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Tontosa omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Am­bo­hitsorohitra, ny fandraisan’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, ny solontena vaovaon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), i Kodjovi Mawulikplimi […]

Cop11: fiarovana ny tontolo an-dranomasina

Hatao ny 20 hatramin’ny 22 aogositra ho avy izao, eny amin’ ny CCI Ivato, ny fivoriambe iraisam-pirenena mahakasika ny rafitry ny Firenena mikambana (Cop 11), araka ny fifanarahan’i Nairobi, momba ny fiarovana, ny fitantanana ary ny fampandrosoana ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny morontsiraka. Voakasik’izany ny firenena aty amin’ny ranomasimbe […]