Auteur/autrice : Adnews

Johary nihira Kintana Telo: tsy lefy laza ny hiran’ny omaly

Ilay fijoro sy fihetsika an-tsehatra, miampy ilay feo manga… Tsy niova i Salomon fa toy ny nahafantarana azy an-tsehatra, tany amin’ny 30 taona lasa ihany. Mbola be mpankafy ihany koa ireo hi­ran’ny omaly novelomin-dry Kintana Telo tamin’izany fotoana, ka naverina nanakoako tetsy amin’ny CCEsca Antani­mena indray, omaly. Nahatra­tra 50 ireo […]

Mirado: matihanina tanteraka ny seho, niara-paly ny mpankafy azy

Ambohipihaonan’ny mpankafy Mirado ny teny amin’ny Kianja Barea. Niezaka ihany koa ny mpikarakara nampiaina izany fotoana izany ho tena mamy. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny tokotany malalaky ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampisehoana niarahana ta­min’i Mirado. Seho nahafinaritra sy matihanina tokoa no natolotr’ity mpanakanto ity sy ny mpikarakara […]

Anaran-tsamirery malagasy: misy hevitra fonosiny noho ny finoan’ireo ray aman-dreny

Anisan’ny mamaritra ny maha izy azy ny olona iray ny anarana. Na­nana ny heviny izany teo amin’ny Malagasy, indrindra tamin’ny va­ninandro taloha. Somary very, noho ny fanarahana ny fomba vahiny izany amin’izao fotoana izao. Anisan’ny firenena manana anarana lava ny eto Madagasikara. Voaka­sik’izany ny anaran-tanàna sy ny anaran’olona. Mampito­lagaga ny […]

Fantina sy fintina

“Efa voasazy isan’andro ny vahoaka. Mbola hosaziana indray koa rehefa tara amin’ny fandoavana faktioran’ny Jirama”, hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, ny sabotsy teo. Nanteriny fa efa voasazy tsy afaka mianatra, tsy afaka mitady vola noho ny fahatapahan’ny jiro sy ny rano. “Rahoviana no hosaziana ireo namotika ny Jirama?”, […]

Governemanta vaovao: tokony hivoaka alohan’ny 12 Aogositra

Alohan’ny 12 aogositra no tokony ho tafatsangana ny governemanta vaovao, raha ny lalàna no jerena. “Manana 30 andro taorian’ny nanendrena azy hahazoany manolotra ny Programa ankapoben’ny fanjakana (PGE) eto anivon’ny Antenimierampirenena. Ny governemanta no manolotra an’izay. Inoana fa mbola ma­nam-potoana ny Prai­minisitra, satria amin’ny 12 aogositra vao tapitra izay fe-potoana […]